Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahalemen’ny Fandraisan’ny Saina

    Ireny boky novakinao ireny dia samy avy amin’ny tsindrimandrin’ny mpianatr’i Satana mba hamosaviana ny saina amin’ireo fahalalana noforoniny tao amin’ny sinagôgany; mampianatra ny fampiasana ny hafetsena miaraka amin’ireo fahalalana satanika ireny foto-pahalalana ireny. Betsaka ireo boky mampiahiahy ho amin’ny fironana hanao ny ratsy no mikendry ny hanozongozona ny saina. Tsio-drivotry ny poizina avy amin’i Satana no mandalo eo amin’ireo: dia rivotra mankarary ny saina ary mahafaty.HAT 240.1

    Tahaka ireny inona ireny ny vokatry ny vaky boky noforomporonin’ny saina eto amin’ity izao tontolo izao ity ka mameno ny saina amin’ny fieritreretana tsy ilaina sy adala, miteraka fankahalana ny tenin’ny fahamarinana. Toy izany no mahatonga ny fahaizana ho malemy amin’ny tokony hiheverana sy hitadiavana zavatra ambony sy manandratra, amin’ny fitadiavana maharitra ny fahalalana ara-Baiboly; tsy hitany intsony Ilay Mpitari-dalana izay tokony hitarika azy ho any amin’ny Paradisan’Andriamanitra.HAT 240.2

    Maro ny asasoratra vokarina hanangonana ny haren’ny tany, tahaka ny hoe izany no manome antsika ny fahazoan-dalana mankany an-danitra. Firifiry moa ny boky tantara no feno fahasahian’ny olona, tsy manana fiainana mandefa tara-pahazavana kely akory ka hitarika ho any amin’ny fiainana tsaratsara kokoa!HAT 240.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents