Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahatokiana amin’i Kristy

    Tokony ho miaramila mahatoky ao amin’ny tafik’i Kristy ireo izay mijoro eo ambany faneva mihosin-dran’ny Zanak’Andriana Imanoela. Tsy tokony ho tsy mahatoky na ho tsy marina mihitsy izy ireo. Maro amin’ireo tanora no hanolo-tena an-tsitrapo hijoro hiaraka amin’i Jesôsy, Andrian’ny fiainana. Kanefa raha tian’izy ireo ny hitohy hijoro miaraka Aminy dia tsy maintsy mijery mandrakariva an’i Jesôsy izy ireo, ilay Kapiteniny, handray ny Baikony. Tsy afaka ny ho miaramilan’i Kristy izy ireo, kanefa mbola manolo tena amin’ny fikambanan’i Satana, ary miandany aminy, ho fahavalon’i Kristy izy ireo amin’izany. Mamadika ny fahatokiana masina napetraka taminy izy ireo amin’izany. Hamboatra fatorana eo amin’i Satana sy ireo tena miaramila izy ireo ary amin’ny alalan’ireo mpitsikilo velona ireo ny fahavalo dia hiasa mandrakariva mba hahazoana ny fon’ireo miaramilan’i Kristy.HAT 114.1

    Manontany anao aho, ry tanora malala, izay milaza ho miaramilan’i Jesôsy Kristy, ady inona no hiadianao? Inona no fanekena nataonao? Rehefa asehon’ny tenin’Andriamanitra mazava ny asanao, moa nandà ny hanao izany ve ianao satria tsy mifanaraka amin’ny fironanao izany? Moa ny fanintonan’izao tontolo izao nisarika anao hiala amin’ny asa fanompoan’i Kristy? Mampiasa fandrika feno fitaka i Satana; amin’ny fandikana ireo izay heverina ho zavatra madinika no hitarihany anao hiala amin’i Jesôsy. Avy eo, fanintonana lehibe kokoa no asehony mba hamitahana anao hiala tanteraka amin’Andriamanitra.HAT 114.2

    Mety hanana ny anaranao eo amin’ny bokin’ny fiangonana ianao ary milaza ho zanak’Andriamanitra, kanefa ny ohatra asehonao, ny hery miasa mangina avy aminao dia fanehoana diso ny toetr’i Kristy, ary mitarika ny hafa hanalavitra Azy ianao. Tsy misy fahasambarana, fiadanana na fifaliana ho an’ireo izay milaza ho mpino kanefa ny fanahiny manontolo dia tsy mirotsaka ao amin’ny asa nomen’ny Tompo azy hatao. Mitondra mandrakariva izao tontolo izao ao am-piangonana izy, tsy amin’ny alalan’ny fibebahana sy fiaiken-keloka ary ny fanoloran-tena amin’Andriamanitra, fa amin’ny fanekena hatrany hatrany izao tontolo izao, ary mirotsaka an-tsehatra any amin’ny laharan’i Satana ao amin’ny ady fa tsy any amin’ny laharan’i Kristy.HAT 115.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents