Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fiantraikan’ny Fahazaran’ny Tena eo amin’ny Saina

    Tsara hodinihina ny lesona azo avy amin’iny tantaran’i Daniela sy ny namany iny. Misy tombontsoa tahaka ny eo amin’ny ara-batana eo amin’ny ara-panahy izay mifanentana amin’izay ambaran’ny Baiboly. Ny vokatry ny Fanahy anefa dia tsy ny fitiavana ihany na fifaliana na fiadanana fa fahononan-tena ihany koa. Notakina tamintsika ny tsy hanimbana ny tenantsika satria tempolin’ny Fanahy Masina izany.HAT 212.2

    Nitovy filana amintsika ihany koa ireo babo hebreo ireo. Na dia nohodidinin’ny zava-maninton’i Babilôna aza dia hentitra izy ireo teo anatrehan’izany. Miandany amin’ny zava-mahafinaritra maro ny tanora ankehitriny. Eto amin’ny tanan-dehibe ohatra dia mora babon’ny rendrarendra ny fahafaham-po. Izay manaraka ny ohatr’i Daniela ihany ka tsy mandoto ny tenany no hahita voka-tsoa. Ny fahalehibiazan’ny herin-tsaina, ny faharetan’ny herim-batana dia hitombo ary ho tahirin-kery hotovozina amin’ny fotoan-tsarotra.HAT 212.3

    Ireo fanazaram-batana tsara dia miantoka ny herin-tsaina. Ny herin-tsaina sy ny herim-batana ary ny fahalavan’ny androm-piainana dia miankina amin’ny lalàna tsy miovaova. Ilay Andriamanitry ny zavaboary dia tsy hanamaivan-danja ny olona amin’ireo vokatry ny setrasetran’ny natiora. Izay rehetra maniry hifehy ny tenany dia aoka hifehy ny zavatra rehetra. Ankoatra ny vavaka dia sakafo tsotra no nanampy an’i Daniela hanana saina mazava sy hevitra matotra sy fahafahana mianatra ary hery niadiany tamin’ny fakam-panahy.HAT 213.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents