Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Amin’ny Herin’ny Tompo

    Jesôsy no fahazavan’izao tontolo izao, ary antsoina hampifanaraka ny fiainanao amin’ny Azy ianao. Ao amin’i Kristy no hahitanao fanampiana hanananao toetra matanjaka, mirindra, tsara. Tsy hahavita na inona na inona amin’ny fahazavana mamirapiratra avy amin’ny toetra toy izany i Satana. Manana sahaza ho antsika tsirairay Andriamanitra. Tsy nokendreny hotohanan’ny hery miasa mangina avy amin’ny dera na fampirisihan’ny olona isika; fa amin’ny herin’ny Tompo no hijoroantsika. Nomen’Andriamanitra antsika ny fanomezany tsara indrindra, dia ny Zananilahy tokana, hanandratra, hanome hasina, ary hanomana antsika honina ao amin’ny fanjakany amin’ny fanomezana antsika ny fahatanterahan’ny toetrany. Tonga tetỳ amintsika i Jesôsy niaina araka izay andrasany hiainan’ireo mpanaraka Azy. Ho maty antoka amin’izao fiainana ankehitriny izao isika ary ho very ny fiainana mandrakizay, raha mandefitra amin’ny tenantsika isika, na malaina loatra hiezaka hiara-miasa amin’Andriamanitra amin’ny asa mahatalanjona ataony.HAT 47.1

    Nanao antsika hiasa Andriamanitra, tsy amim-pahakiviana anefa, fa amin’ny finoana sy fanantenana matanjaka. Tsy ho hay tantaraina ny fifaliantsika sy ny voninahitra hameno antsika raha mandinika ny Soratra Masina ka hohazavain’ny fahitana ny famindrampon’ny Ray manolotra an’i Jesôsy ho an’izao tontolo izao, «mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay». Izay rehetra mety ho azo amin’ny fanabeazana, dia andrasan’ Andriamanitra ny hampiasantsika izany ho amin’ny fandrosoan’ny fahamarinana. Hasehon’ny fiainana sy ny toetra ny tena fiainam-panahy araka an’Andriamanitra, ka hasandratra eo imason’izao tontolo izao ny hazo fijalian’i Kristy, ary dia hazava eo ny tombambidin’ny fanahy. Tokony hisokatra hahatakatra ny Soratra Masina ny saintsika, handraisantsika herim-panahy amin’ny fihinanantsika ny mofo avy any an-danitra. — RH, 8 Apr. 1890.HAT 47.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents