Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mendri-Pitokiana sy Mahatoky

    Miankina aminareo, ry zatovolahy sy zatovovavy, ny fanapahan-kevitra raha toa ka te ho olona mendri-pitokiana sy mahatoky ianareo, vonona sy tapa-kevitra ny hijoro ho amin’ny mahitsy sy marina na inona na inona hitranga. Maniry ny hamolavola fahazarana tsara ve ianao? Raha izany dia mikatsaha ny fiarahana amin’ireo izay manana fitondrantena madio sy ireo izay mikendry ny tsara hatrany Nomena ny oram-pahasoavana sarobidy ianareo mba hahafahanareo manala ny kilema rehetra eo amin’ny toetranareo, ary tokony hataonareo izany, tsy mba hahazoana ny fiainana ho avy fotsiny ihany, fa mba hahafahanareo manampy mandritra ity fiainana ity koa. Renivola sarobidy lavitra noho ny volamena sy ny volafotsy ny toetra tsara. Tsy misy fiantraikany aminy na ny tahotra na ny tsy fahombiazana, ary rehefa ho avy ny fotoana izay hahalevona ny haren’ny tany dia hitondra valisoa sarobidy tokoa izany. Ny fahitsiana sy ny fijoroana amin’ny tsara ary ny fikirizana dia soatoavina tokony hokolokoloin’ny tsirairay avy; satria manome hery tsy azo toherina ho an’ny manana azy izy ireo, hery mahatonga azy hanana tanjaka hanaovana ny tsara, tanjaka hanoherana ny ratsy ary tanjaka hiaretana ny fisedrana. - MYP 415.3.HAT 362.2

    Ny fitiavana ny marina sy ny fahatsapana ny andraikitra fa tokony hanome voninahitra an’Andriamanitra no fandrisihana mahery indrindra amin’ny fampivoarana ny saina. Noho io fandrisihana ho amin’ny asa io dia tsy afaka ny handanilany ny fotoany sy ny heriny amin’ny zava-poana intsony ny mpianatra. Ho lasa mavitrika sy mazoto hatrany izy. Hianatra eo ambany fiahian’Andriamanitra izy ary mahatoky fa miara-miasa amin’ny fanabeazana azy ny lanitra manontolo. Hanana toe-tsaina mendrika, ho tia mizara, tsara fanahy, mahalala fomba, hanana toetra tahaka ny an’i Kristy ary hahomby hatrany izy. Ny fo sy ny saina dia hiara-miasa amim-pirindrana amin’ny sitrapon’Andriamanitra. - CTPS, tt. 220-226. {MYP 416.1}.HAT 363.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents