Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fialam-Boly tsy Misy Dikany, tsy Tena Fahasambarana

    Ireo izay mankafy ny fiarahamonina dia mandefitra matetika ity zavatra ity, mandra-pahatongany ho filàna manjaka: Ny fiakanjoana, ny fitsidihana toerana fialana voly, ny fihomehezana sy ny firesahana maivaimaivana tsy misy dikany; izany no fiainany. Tsy manana faharetana amin’ny famakiana ny Baiboly sy ny fieritreretana ny zavatry ny lanitra izy ireo. Feno fahoriana izy ireo raha tsy misy zavatra manaitaitra. Tsy ananany ao anatiny ao ny hery ho faly; fa miankina amin’ny fiarahana amin’ny tanora adaladala sy sahisahy toa azy ny fahazoany fifaliana. Ny hery izay nety ho nampiasaina tamin’ny tanjona mendri-kaja dia omeny ho an’ny fahadalana (...)-MYP 430.3.HAT 377.1

    Ny tanora izay mahita fifaliana sy fahasambarana ao amin’ny famakiana ny tenin’Andriamanitra sy ny oram-pivavahana dia ho velombelomin’ny Loharanon’ny fiainana mandrakariva. Hahatratra marika ambonin’ny fahendrena ara-tsaina izy sy enitreritra lalina izay tsy takatry ny hafa. Ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia mampirisika ny fisainana tsara, ny faniriana mendrika, ny fahitana mazava tsara ny fahamarinana ary tanjona ny hanao zavatra ambony. Amin’izany, ireo izay mampifandray ny fanahiny amin’Andriamanitra dia ekeny ho Zananilahy sy Zananivavy. Manatratra ambony kokoa hatrany izy ireo, ary mahazo fahitana mazava kokoa momba an’Andriamanitra sy ny mandrakizay, mandra-pahatongan’izy ireo ho fantson’ny fahazavana sy fahendrena ho an’izao tontolo izao (...) - MYP 431.1.HAT 377.2

    Ireo izay mitoetra ao amin’i Jesôsy dia ho falifaly sy ho ravoravo ary ho miramirana mandrakariva ao amin’Andriamanitra. Ny hatsaram-panahy tsotra no hanamarika ny feo; ny fanajana ny zavatra ara-panahy sy tsy manam-pahataperana no haseho amin’ny asa, ary ny mozika, mozikam-pifaliana no hanakoako avy amin’ny molotra, ary mivoaka avy amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Izany no misterin’ny maha-Andriamanitra, tsy mora hazavaina, kanefa na izany aza dia tsapa sy ankafizina. Ny fo maditra sy mivadika dia afaka manakatona ny varavarany tsy hidiran’ny hery miasa manginan’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina; kanefa ny lalan’ny fahendrena dia lalam-pahafinaretana sy fiadanana. Rehefa mihaety ny fifandraisantsika amin’i Kristy dia mihalehibe koa ny fanehoan’ny tenintsika sy ny asantsika ny hery manovan’ny Fahasoavany. - TFC, b. 4, tt. 622626. {MYP 431.2}.HAT 377.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents