Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 143 — Ny Tena Fahamendrehana

    Mangataka antsika ny Tompo Jesôsy mba hanekentsika sy hanajantsika ny zon’ny olona rehetra. Ny zon’ny olona ara-tsôsialy sy ny zony amin’ny maha-kristianina azy dia tokony tsy hatao ambanin-javatra. Ny olona rehetra dia tokony hoentina amim-pahamendrehana sy amim-pahalefahana amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra azy ireo. - MYP 421.1.HAT 367.2

    Hahatonga ny olona ho lasa olo-mendrika ny fivavahana kristianina. Nahalala fomba hatrany i Kristy, na dia nanoloana ny mpanenjika Azy aza; ary ny tena mpanara-dia azy marina dia haneho toe-panahy tahaka izany. Jereo i Paoly rehefa nanoloana ny mpitondra. Ny kabariny teo anoloan’i Agripa dia maneho ohatra ny amin’ny fahalalam-pomba marina sy ny fahaiza-miteny mandresy lahatra. Tsy mandrisika antsika hanaraka fahalalam-pomban’izao tontolo izao ankehitriny ny filazantsara, fa hanaraka ny fahalalam-pomba vokatry ny tena hatsaram-po. - MYP 421.2 .HAT 367.3

    Ny fitandremana tsara indrindra momba ireo fijery ivelan’ny fiainana dia tsy ampy hanalana ny fifosafosana sy ny fitsaran-diso ary ny resaka tsy mendrika. Tsy ho hita ny tena fahamendrehana marina raha toa ka ny tena no atao ho loha laharana. Ny Kristianina tena malina dia manao ny asany noho ny fitiavany lalina ny Tompony. Avy amin’ny fakan’ny fitiavany an’i Kristy dia misy fahalianana tsy misy fitiavan-tena mitsimoka ho an’ny hafa. Manome hery, fahalalam-pomba ary fitondran-tena mahasarika ho an’izay manana azy ny fitiavana. Mampamirapiratra ny tava ary manalefaka ny feo izy; mahamendrika sy manandratra ny tena iray manontolo izy. - Ministry of Healing, tt. 489, 490. {MYP 421.3}.HAT 368.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents