Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiomanana ho amin’ny Zavatra Mety Hiseho amin’ny Hoavy

    Tokony homena fampitandremana izao tontolo izao, ary tsy tokony hionona amin’ny fahalalana ivelambelany fotsiny ny fahamarinana. Tsy fantatrao izay andraikitra mety hiantsoana anao. Tsy fantatrao hoe aiza no mety hiantsoana anao hijoroanao ho vavolombelon’ny fahamarinana. Maro no tsy maintsy hijoro eny amin’ny lapan’ny antenimiera, ny sasany tsy maintsy hijoro eo anoloan’ny mpanjaka sy ireo avara-pianarana eo amin’ny tany mba hamaly ny amin’ny finoany.HAT 160.3

    Ireo izay manana fahatakarana ivelambelany fotsiny ny fahamarinana dia tsy ho afaka hamelabelatra mazava tsara ny Soratra Masina, ary hanome antony voafaritra tsara ny amin’ny finoany. Ho sahiran-tsaina izy ireo ary tsy ho mpiasa tsy mahazo henatra. Aoka tsy hisy hihevitra na dia iray aza fa tsy ilainy ny hianatra satria izy tsy natao hitory eo amin’ny latabatra masina. Tsy fantatrao izay zavatra mety hotakin’ny Tompo aminao.HAT 161.1

    Tena toe-javatra mampalahelo fa ny fandroson’ny asa dia voasakan’ny tsy fahampian’ny mpiasa nahavita fianarana izay nofanina ho afaka hitana toeram-pahatokiana. Hanaiky olona an’arivony hiasa ao amin’ny Sahany fijinjana lehibe ny Tompo, kanefa maro no tsy nahomby tamin’ny fanomanana ny tenany ho mendrika ny asa. Kanefa ireo rehetra izay tia ny asan’i Kristy, izay nanolotra ny tenany ho miaramila ao amin’ny tafiky ny Tompo, dia tokony hametraka ny tenany amim-pahatokiana eo amin’ny toeram-piofanana. Toa tsy midika inona ho an’ireo izay milaza ho mpanaraka an’i Kristy ny fivavahana; tsy sitrapon’Andriamanitra na dia indray mandeha aza ny hitoerana ao amin’ny tsy fahalalana rehefa napetraka ho azo tratrarina ny fahendrena sy ny fahalalana. - FCE, tt. 216, 217.HAT 161.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents