Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Andraikitra Ambony

    Afaka mianika izay havoana rehetra tianao ianao, raha hendry amin’ny fihazonana ny foto-kevitra ara-pivavahana. Ho faly isika hahita anao tonga eo amin’ny toerana ambony izay nomanin’Andriamanitra hiakaranao. Sarobidy sy tian’i Jesôsy ny tanora, ary tsy ankasitrahany ny mahita azy ireo tsy manabe sy tsy mampivelatra ny talentany. Azon’izy ireo atao ny ho tonga lehilahy feno hery, manana foto-kevitra mijoro, vonona hotolorana andraikitra ambony, ary mba hanatanterahana izany dia hanatanjaka ara-dalàna ny heriny rehetra.HAT 24.1

    Nefa, tandremo tsy hampidi-doza ka hanolana ny hery nomen’Andriamanitra hanaovana ratsy sy hanimba ny hafa. Misy ireo izay manan-talenta nefa mampiasa izany hampielezana fanimbana sy fahalovana ara-panahy; mamafy voa izay tsy hitondra voninahitra ho azy amin’ny fotoam-pijinjana izany Mampahatahotra ny mampiasa ireo fahaizana nomen’Andriamanitra hamafazana fahasimbana sy ozona fa tsy fitahiana ho an’ny fiarahamonina. Mampahatahotra ihany koa ny manafina ny talenta nomena ho antsika tsy ho hitan’izao tontolo izao; fa tsy firaharahana ny satro-boninahitry ny fiainana izany. Mitaky ny asa fanompoantsika Andriamanitra. Misy andraikitra ho an’ny tsirairay, ary ny fanekena feno sy ny fanatanterahana mahatoky amin’ny tsipiriany izany andraikitra izany ihany no hahatrarantsika ny tanjona ambony eo amin’ny fiainana.HAT 24.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents