Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Aoka ho Mpitondra Hazavana

    Ento ny hazavana na aiza alehanao; asehoy ny herin’ny tanjona anananao, fa tsy olon’ny tsy fahatapahan-kevitra ianao, mora hozongozonin’ny fandresen-dahatry ny namana ratsy. Aza ampandeferina eo anoloan’ny soso-kevitr’ireo izay manala baraka an’Andriamanitra izay efa nekenao, fa tadiavo izay hanavaozana, izay hamerenana ary hanavotana ireo fanahy eo an-tanan’ny ratsy. Ampiasao ny vavaka, mandrese lahatra ireo manohitra amim-panetren-tena sy fahalemem-panahy. Ny fanahy iray voavonjy avy ao amin’ny fahadisoana, ary tafaverinao eo ambany fanevan’i Kristy, dia hampisy fifaliana any an-danitra, ary hametraka kintana iray eo amin’ny satro-boninahi-pifalianao. Ny fanahy iray voaavotra dia hitondra, amin’ny hery miasa mangina masina ananany, fanahy maro hafa eo amin’ny fahalalana ny famonjena, ary dia ho tahaka izany no hitomboan’ny asa, ary ny andro fitsarana irery ihany no hampiharihary ny fitaran’izany asa izany.HAT 11.2

    Aza misalasala miasa ho an’ny Tompo satria angamba mieritreritra ianao fa tsy hahavita afa-tsy kely monja. Ataovy amim-pahatokiana izay kely vitanao; fa hiasa amin’ny alalan’ny ezaka ataonao Andriamanitra. Hosoratany ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaranao, mendrika ny hiditra ao amin’ny fifalian’ny Tomponao. Andeha isika hitalaho mafy amin’ny Tompo hampandehanany mpiasa, fa masaka hojinjana ny saha; be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy (...)HAT 12.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents