Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampianarana Baiboly

    Hevitra avy any an-danitra ny fampianarana Baiboly, ary manokatra ny lalana hahatongavan’ny tanora lahy sy vavy anjatony ho amin’ny saha hanao asa manan-danja, izay tsy ho vita raha tsy nisy izany.HAT 193.4

    Tsy voafatotra ny Baiboly. Azo hoentina eo am-baravaran’ny olona rehetra izy, ary azo aseho eo anatrehan’ny feon’ny fieritreratan’ny tsirairay ny fahamarinany. Misy maro izay tahaka ireo mponina mendrika tao Beria, izay handinika ny Soratra Masina isan’andro ho azy ireo, rehefa aseho ny fahamarinana, mba hahitany na marina izany zavatra izany na tsia. Hoy i Kristy: «Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy». Jesôsy, ilay Mpanavotra izao tontolo izao no nibaiko ny olona tsy hamaky fotsiny fa «handinika ny Soratra Masina”. Asa lehibe sady manan-danja izany, ary nankinina tamintsika, ary hahazo tombontsoa lehibe isika amin’ny fanaovana izany; satria ny fankatoavana ny baikon’i Kristy dia tsy avela tsy hisy valisoa. Hampisatrohany voninahitra ho mariky ny Fankasitrahany manokana izany asam-pahatokiana izany amin’ny fanarahana ny fahazavana naseho ao amin’ny Teniny. - TSSW, » tt. 29,30.HAT 194.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents