Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiomanana ho amin’ny Fiavian’i Jesôsy

    Hitako fa mankahala ny fireharehana Andriamanitra, ary ny mpirehareha rehetra, sy ireo mpanao ratsy rehetra dia ho vody vary, ary avy ny andro handoroana azy ireo. Hitako fa ny hafatry ny anjely fahatelo dia tokony mbola hiasa ho toy ny lalivay eo amin’ny fo maro izay milaza ho mino izany, ary hanaisotra hiala ny avonavony, ny fitiavan tena, ny fitsiriritana, ary ny fitiavana izao tontolo izao.HAT 104.1

    Ho avy i Jesôsy, ary moa ve hahita vahoaka izay manahaka izao tontolo izao Izy? Ary moa ve Izy hahafantatra antsika ho toy ny vahoakany izay nodioviny ho an’ny tenany?HAT 104.2

    Indrisy, Tsia. Tsy misy afa-tsy ireo madio sy masina no ho fantany fa Azy. Ireo izay nodiovina sy natao ho fotsy tamin’ny alalan’ny fahoriana, ary nitahiry ny tenany hisaraka tsy ho voaloton’izao tontolo izao, no alainy ho an’ny Tenany.HAT 104.3

    Raha nahita ireo zavatra mampatahotra ireo aho, dia ny amin’ny vahoakan’Andriamanitra manahaka izao tontolo izao, tsy misy maha-samy hafa azy, afa-tsy anarana fotsiny, amin’ireo maro izay milaza azy ho mpianatr’Ilay Jesôsy mora fanahy sady tsy miavona am-po sy ny tsy mpino dia nahatsapa tebiteby lalina ny fanahiko. Hitako fa naratra i Jesôsy ary niharihary ny fahamenarany. Izao no nolazain’ny Anjely, raha tamin’alahelo no nahitany ireo izay milaza ho vahoakan’Andriamanitra tia izao tontolo izao, mandray anjara amin’ny toe-tsainy, manaraka ny lamaodiny: “Mialà, mialà, mba tsy hiombonanao anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy sy ny tsy mpino any ivelan’ny tanàna. Ny fanambaranao dia hiteraka fitebitebena bebe kokoa fotsiny ihany ho anao, ary ho lehibe kokoa ny famaizana anao, satria fantatrao ny Sitrapony fa tsy nanao izany ianao.”HAT 104.4

    Matetika ireo izay milaza ho mino ny hafatry ny anjely fahatelo no manimba ny asan’Andriamanitra amin’ny zavatra maivamaivana, ny vazivazy, sy ny zavatra tsy misy dikany. Naseho ahy fa io faharatsiana io dia eo amin’ny laharantsika avokoa. Hitako fa tokony hisy fanetren-tena eo anoloan’ny Tompo. Ny Isiraelin’Andriamanitra dia tokony hanatriatriatra ny fony fa tsy ny fitafiany. Mahalana no ahitana ny fahatsorana toy ny an’ny zaza; ny fankasitrahan’ny olona no eritreretina bebe kokoa noho ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra.HAT 105.1

    Hoy ny anjely: “Alamino ny finoanao, mba tsy ho tapaka ny singam-bolo mihazona ny aina, ary handry ao amin’ny fasana tsy misy fialofana, tsy voaomana amin’ny fitsarana ianao. Na, raha toa ka tsy manao ny fasana ho fandrianao ianao, ka tsy mamitram-pihavanana haingana amin’Andriamanitra, ka mandrirotra ny tenanao hiala amin’izao tontolo izao, dia hihamafy ny fonao, ary hiantehitra amin’ny hazo boboka, izay heverina ho fiomanana, ary ho tara loatra ny hahitanao ny fahadisoanao hanome antoka ny fanantenana tsara fototra.” - TFC, b. 1, tt. 127-134.HAT 105.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents