Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Atokàny ho an’Andriamanitra ny Fahafaha-Manao

    Tokony hametraka ny tenany ao amin’ny sekolintsika ny tanora lahy sy vavy, eo amin’ny fantsona izay mety hahazoana ny fahalalana sy ny fifehezan-tena. Tokony hanokana ny fahafaha-manao ananany ho an’Andriamanitra, ho tonga mpianatra mazoto ny Baiboly mba hampahatanjaka azy hanohitra ny fampianaran-diso, ary tsy ho voatarika ho any amin’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy izy ireo; satria amin’ny fandinihana amim-pahazotoana sy fahamatorana ny Baiboly no hahazoantsika ny fahalalana ny atao hoe fahamarinana. Amin’ny alalan’ny fampiharana ny fahamarinana izay efa fantatra no itomboan’ny hazavana izay hamirapiratra eo amintsika avy amin’ny Soratra Masina (...)HAT 160.1

    Ireo izay tena manokan-tena marina ho an’Andriamanitra dia tsy hiditra ao amin’ny asa atosiky ny hery manosika mitovy amin’izay mitarika ny olona hirotsaka an-tsehatra amin’ny fandraharahana eo amin’izao tontolo izao, izay ivelomana fotsiny ihany, fa hiditra ao amin’ny asa izy ireo ka tsy hamela ny fiheveran’izao tontolo izao hifehy azy ireo amin’ny fahatsapana fa masina ny Asan’Andriamanitra.HAT 160.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents