Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Hery Miasa Mangina avy amin’ny Namana

    Ny tanora izay mandao ny tokantranony, ary tsy eo ambany fiahian’ny ray aman-dreniny intsony dia avela malalaka hisafidy izay ho naman’izy ireo manokana. Tokony hotsarovany fa ny Mason’ny Rainy any an-danitra dia eo amin’izy ireo, ary mahita izay ilainy rehetra, sy ireo fakam-panahy rehetra mahazo azy. Hita mandrakariva ao an-tsekoly ireo tanora sasany izay amin’ny alalan’ny fomba fanaony no maneho fa ambany no namolavolana ny sain’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny fanazarana tsy amim-pahendrena teo amin’ny fahazazany no nampivelarany ny lafiny ilany teo amin’ny toetrany; ary rehefa mihamandroso ny taonan’izy ireo dia mitoetra ireo fahadisoana ary manimba ny fanandraman’izy ireo. Amin’ny alalan’ny fitsipika sy ny ohatra, ireo fanahy ireo dia mitarika ho any amin’ny lalan-diso ireo izay manana fitondran-tena malemy.HAT 140.2

    Volamena ny fotoana, ry Tanora malala. Aoka tsy havelanao hotandindomin-doza ny toetrao amin’ny famafazana voa ratsy. Tsy ho voavidy vola ny tsirambina ataonao mikasika ireo namana izay fidinao. Mitoera eo amin’izay mendrika eo amin’ny toetry ny hafa, ary izany toetra izany dia ho lasa hery ara-pitondran-tena ho anao eo amin’ny fanoherana ny ratsy sy ny fifidianana ny tsara. Apetraho ambony ny marika kendrenao. Ny Ray aman-dreny sy ny mpampianatra anao, izay tia sy matahotra an’Andriamanitra, dia mety hanaraka anao amin’ny fivavak’izy ireo andro aman’alina, mety hananatra sy hampitandrina anao izy ireo; kanefa ho zava-poana izany rehetra izany raha toa ka namana tsy misy dikany no finidinao. Raha tsy hitanao ny tena loza mitatao, ary mihevitra ianao fa afaka hanao ny tsara sy ny ratsy araka izay safidinao, dia tsy ho hainao ny hanavaka ny masirasiran’ny faharatsiana izay handoto sy hanimba mangingina ny fisainanao.HAT 140.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents