Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahakingana fa Tsy Toe-Panahy Araka an’Andriamanitra

    Tanora manana hakingana izy ireo, fantatra ary derain’ny namany, nefa tsy nohamasinina ny fahaizany. Tsy nohatanjahina sy nohamafisina tamin’ny fahasoavana sy ny sedran’ny fanandramana, ary tsy azon’Andriamanitra ampiasaina hanasoavana ny hafa sy anomezana voninahitra ny anarany izany. Mifono ny toe-panahy araka an’Andriamanitra nefa ampiasaina hanangana foto-kevitra diso ny heriny, ary dia ataon’ny tsy voaova fo hanala tsiny ny ratsy ataony izy ireo. Tarihin’i Satana izy ireo hamalifaly ny namany amin’ny hadalany sy izay lazainy fa fahendrena. Tsy misy vidiny izay rehetra ataony, satria ambany fanapahan’ilay mpaka fanahy, izay mitarika sy mamolavola ny toetrany mba hanaovany ny asany.HAT 29.3

    Manana fahaizana izy, fa tsy nampiasaina; manana talenta izy nefa tsy nampitomboina. Nomena azy ny talenta, nefa dia nampiasaina tamin’ny fomba tsy izy sy nosimbana tamin’ny hadalana, ary nitarika ny hafa hidina tahaka azy. Nandoa ny onitry ny fanahin’ireo tamin’ny fahafoizan-tena, sy fandavan-tena, sy fanetren-tena, tamin’ny henatra sy fandatsana niaretany i Kristy. Nataony izany hanafahany azy amin’ny fatoran’ny fahotana, amin’ny fanandevozan’ny Tompo izay mikarakara azy ireo mba hampiasainy amin’ny fanimbana fanahy hafa. Nefa tsy ahoan’izy ireo ny fitiavan’ny Mpanavotra azy, ary dia mijery amin’alahelo ny asa ataony Izy.HAT 30.1

    Fahaverezana mandrakizay no miandry ny tanora manao toy izany. Hanao ahoana ny ho fahitan’izy ireo ny fifaliany sy ny sanginy amin’ny andro izay handraisan’ny tsirairay avy amin’ny Mpitsara ny tany rehetra araka ny nataony tao amin’ny nofony? Hazo sy mololo ary bozaka no nentiny teo amin’ny fototra, ary dia ho levona ny asa nataony nandritra ny fiainana manontolo. Fahavoazana manao ahoana!HAT 30.2

    O! Tsara lavitra manao ahoana re ny hiafaran’ireo izay nanao ny anjarany tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra, miandry ny fankasitrahan’i Jesôsy, manoratra isan’andro ao amin’ny boky fanisana ny fahadisoana nataony, ny alahelo, ny fandresena manoloana ny fakam-panahy, ny fifaliana sy ny fiadanana ao amin’i Kristy! Tsy hanatrika ny raki-piainany amin’ny henatra ny tanora toy izany ka hiala maina. — YI, 22 Jona 1899.HAT 30.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents