Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitondran-Tena ao an-Tranon’Andriamanitra

    Ataon’ny tanora ankehitriny zinona mihitsy ny fanajana ny fitoerana masina. Betsaka ireo zanaka sy tanora kristianina no tsy mahafantatra ny filaminana sy ny fanajana tokony hatao ao an-tranon’Andriamanitra. Ny akamaroan’ny tanora dia hita fa mamaky boky hafa sy mitakoritsika ary mihomehy mandritra ny famakian’ny tompon’andraikitra ny Tenin’Andriamanitra ao am-piangonana. Mahasarika ny fijerin’ny manodidina azy izany ka ho lasa areti-mifindra raha toa tsy voafehy.HAT 231.4

    Ny tanora sy ny ankizy dia tokony hahafantatra tsara fa tsy misy fiderana an’Andriamanitra ao anatin’ny fikorontanana sy ny tsy filaminana. Hitan’Andriamanitra avokoa izay mety ho eritreritra sy fihetsika maniratsira rehetra ary dia voarakitry ny anjely ao amin’ny boky fitadidiana avokoa izany. Hoy ny Tompo: «Fantatro ny asanao!” Tsy misy na inona na inona azo afenina eo anatrehan’Andriamanitra. Aoka hanazatra sy hanitsy ny tenanao amin’ny fanajana Azy ianao raha toa ka nanana fahazaran-dratsy tsy nifantoka sy tsy nahay nankasitraka tao an-tranony.HAT 232.1

    Aoka tsy hanamaivamaivana ny fotoam-bavaka amin’ny takoritsika sy ny bitsibitsika mandritra ny fotoam-pivavahana sy ao am-piangonana. Tokony ho vonton-kenatra sy tahotra izay manivaiva raha mahita ireo anjely manoratra ny anarany sy ny asany ao amin’ny boky Tian’Andriamanitra ho liana sy hihaino ny fampianarany isika. Mamafy tsimparifary ny fahavalo rehefa sondrian-tory isika.HAT 232.2

    Tsy misy zava-masina sy mifandray aminy azo hamaivanina, na tsy homena hasiny. Eritrereto toy ny hoe Andriamanitra no miteny amin’ny alalan’ny irany rehefa mandeha ny tenin’ny fiainana. Aoka tsy ho variana na sodokan’ny tsy fitandremana ny teniny, fa hiaro ny tongotra tsy ho solafaka amin’ny ratsy.HAT 232.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents