Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tambin’ny Fahalalana Onony

    Mila olona tahaka an’i Daniela, manohitra fakam-panahy amin’ny heriny rehetra isika ankehitriny. Fo madio ary tanana mivelatra no ilain’izao tontolo izao. Ny tanjon’Andriamanitra dia ny hiovan’ny olona, handroso isan’andro isan’andro ho amin’ny fahatsarana. Manampy izay manampy ny tenany Andriamanitra. Ny fahazarana etỳ an-tany no iankinan’ny fahasambarana any an-danitra. Aoka hiambina amin’ny fiteny sy ny tsy fifehezan-tena ny tanora.HAT 214.1

    Ry tanora malala, miantso anao ho amin’ny asa tanterahina amin’ny fahasoavany Andriamanitra. “Atolory ny tenanao ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany” -Rôm. 12:1. Misehoa ho lehilahy sy vehivavy mendrika amin’ny zavatra rehetra. Ao amin’izay tianao rehetra: fisakafo, fahazarana, alaivo tahaka ny fahitsian’i Daniela. Ho tambiny, Andriamanitra hanome anao ozatra malefaka, saina mazava, fahaiza-mitsara, fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy azo antoka. Ny tanora ankehitriny raha manana finiavana sy fomba fiaina matotra, dia handray voka-tsoa amin’ny fahasalaman’ny vatana sy saina ary fanahy. — YI, 9 Jol. 1903.HAT 214.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents