Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanoloran-Tena

    Ireo izay tsy mahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fampiasana ny fotoany dia tokony hangataka torohevitra amin’ireo izay efa manana traikefa amin’izany. Zara raha nitafy izahay sy ny rahavaviko tamin’ny vola azonay tamin’ny asanay. Omenay mandrakariva ny reninay ny vola azonay ary toy izao no ambaranay azy: «Asio ambiny hanaovana asa misiônera ny vola rehefa avy mividy ny fitafianay ianao». Izany tokoa no nataony hikolokoloana ny toe-tsainay ho misiônera.HAT 261.2

    Tsy misy mahafaly ny mpanome afa-tsy ny manome ny voan’ny fahafoizany. Mihamazava araka izany ny asan’Ilay nivezivezy tetsy sy teroa nanao ny tsara, nanalefaka ny fahoriana sy niahy ny mahantra. Tsy nitady ny hampifaly ny tenany ny Mpamonjy. Tsy nahitana soritra fitiavan-tena mihitsy ny fiainany. Eny, fa na dia teo amin’ny tany nohariny aza Izy dia tsy mba nitaky na inona na inona ho Azy. «Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana, fa ny Zanak ‘olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany” -Mat. 8:20HAT 261.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents