Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanabeazana amin’ny Lafìny Rehetra

    Aoka ny tanora izay mila fanabeazana hiasa amim-pitozoana hahazoana izany. Aza miandry varavarana hisokatra; manokafa iray ho an’ny tenanao. Fikiro na dia ny lalankely izay miseho ho azy aza. Ampiharo ny fitsitsiana. Aza lanilanina amin’ny fanomezana fahafaham-po ny fahazotoan-komana sy ny fikatsaham-pahafinaretana ny fanananao. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny ho tonga mahasoa sy mahomby araka izay niantsoan’Andriamanitra anao. Aoka hovitaina tanteraka sy amim-pahatokiana na inona na inona ataonao. Alaivo ireo tombontsoa rehetra mety ho tratranao mba hanatanjahana ny faharanitan-tsainao. Aoka ny fianarana ny boky hampiarahina amin’ny asan-tanana mahasoa, ary amin’ny alalan’ny ezaka amim-pahatokiana, amim-piambenana, amim-bavaka, no hahazoana ny fahendrena avy any ambony. Izany no hanome anao ny fanabeazana amin’ny lafiny rehetra. Ary amin’izany no ahafahanao misandratra eo amin’ny toetra sy ahazoana ny hery miasa mangina eo amin’ny sain’ny hafa, ka hahafahanao mitanka azy ireo eo amin’ny lalan’ny fahamarinana sy fahamasinana.HAT 148.3

    Be lavitra ny mety ho vita eo amin’ny asa fanabeazan-tena raha toa ka jerentsika tsara ireo tombontsoa azo hararaotina miseho eo anoloantsika. Mihoatra noho izay azon’ny sekoly omena ny dikan’ny tena fanabeazana marina. Na dia tsy tokony hatao tsirambina aza ny fianarana ny siansa, dia misy fiofanana ambonimbony kokoa izay tokony ho azo amin’ny alalan’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra. Aoka ny mpianatra rehetra handray ny Baiboliny, ary hametraka ny tenany amin’ny firaisana amin’ilay Mpampianatra lehibe. Aoka ny saina ho voaofana sy ho voafehy hitolona ireo olana sarotra amin’ny fikatsahana ny fahamarinan’Andriamanitra.HAT 149.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents