Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Azo Ianteherana ny Fihetseham-Po Taitaitra

    Matoky loatra ny fihetseham-pony taitaitra ny tanora. Tokony tsy hanolotra ny tenany mora foana izy ireo, na koa hanaiky ho babo amin’ny fanintonana ivelan’ilay olon-tian’izy ireo fotsiny. Ny fisakaizana, araka ny fanaovana azy amin’izao vanin’andro ankehitriny izao, dia drafitra mamitaka sy mihatsaravelatsihy, izay ny fahavalon’ny fanahy dia miasa bebe kokoa noho ny Tompo. Ilaina eto ny fahalalana; kanefa kely ihany no azony atao manoloana ity toe-javatra ity. - MYP 450.2.HAT 395.3

    Raha toa hifandray tsara amin’ny ray aman-dreny ny zanaka, raha toa ka hanokatra ny fony amin’izy ireo izy, hizara ny enta-mavesatra amin’izy ireo, ireo fifaliany sy ny alahelony, dia aretim-po maro amin’ny hoavy no mety ho voasoroka. Rehefa tsy fantatr’izy ireo ny lalana tokony haleha dia aoka izy ireo hametraka izany olana izany manoloana ny ray aman-dreniny, ary hangataka torohevitra amin’izy ireo. Iza mihoatra noho ny ray aman-dreny tia an’Andriamanitra no afaka hanoro ireo loza mananontanona? Iza no mety hahafantatra tsara ny toe-pony manokana noho izy ireo? - MYP 450.3.HAT 396.1

    Ny ankizy kristianina dia hametraka ho eo ambonin’ireo tombontsoa eto an-tany ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ny ray aman-dreniny matahotra an’Andriamanitra. Afaka miombom-po amin’ny zanaka ny ray aman-dreny, mivavaka ho azy sy mivavaka miaraka aminy ireny mba harovana sy hotarihin’Andriamanitra izy. Ambonin’izany rehetra izany dia hanoro azy ilay Namana sy Mpanoro hevitra tsy manary na oviana na oviana, izay ho voakasiky ny fahatsapana ny fahalemeny. Nalaim-panahy tahaka antsika rehetra koa Izy, kanefa tsy nanota, ary hainy ny manampy ireo izay alaim-panahy. - RH, 26 Jan. 1886. {MYP 451.1}.HAT 396.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents