Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hery Miasa Mangina Ratsy

    Ireo izay manana fanandramana ara-pivavahana notefitefena no mivory mba hifalifaly sy hihomehy, ary ny hery miasa mangina avy amin’izy ireo no miparitaka any amin’ny hafa. Matetika ny tovolahy sy tovovavy izay manery ny tenany ho kristianina ara-Baiboly no mamela ny tenany ho voasinton’ny manodidina azy. Tsy tian’izy ireo ny heverina ho miavaka amin’ny maro ka zary fironana ho azy ao aminy ny manaraka ny fanaon’ny hafa; amin’izay fotoana izay izy dia mametraka ny tenany ho eo ambanin’ny fitaoman’ireo izay, angamba, tsy mbola nokasihin’Andriamanitra velively na ny sainy na ny fony. Raha noheveriny tamim-bavaka ny fitsipik’Andriamanitra, mba hahitany izay nampianarin’i Kristy mikasika ny voan’ny hazo kristianina dia ho hitan’izy ireo fa ireny fialam-boly tsy mahasoa ireny dia tsy inona fa fefy hahafahana manakana ny fanahy tsy ho any amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry.HAT 339.2

    Manimba ny fankanesana any amin’ireny toeram-pialam-boly ireny, ny tanora nampianarina tsara ny lalàn’i Kristy dia mahatsapa ny fanangolena avy amin’ny hery miasa manginan’ny olona manodidina azy ary voafatotra amin’ny olona nahazo ny fampianaran’izao tontolo izao. Mivarotra ny tenany tahaka ny andevo izy amin’ny fanambadiana olona tsy nahazo ny firavahany ny toetra kristianina. Ireo izay tena tia sy tena manompo an’Andriamanitra dia tsy mba hitambotsotra any amin’izay misy an’izao tontolo izao amin’ny fiarahana amin’ny olona tsy manana an’i Kristy ao am-po. Ho matotra tanteraka, hahery fo, ho an’i Kristy izy ireo, eny, fa na dia hamoy ny ainy aza izy.HAT 339.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents