Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tafaray ny Sitrapon’Andriamanitra sy ny Sitrapon’ny Olona

    Miresaha ny amin’ny finoana, mitoera mandrakariva ao amin’ny laharan’Andriamanitra. Aza mametraka ny tongotrao eo amin’ny tanim-pahavalo, dia ho mpanampy anao ny Tompo. Hataony ho anao izay tsy azon’ny tenanao tanterahina ho anao. Ary ny vokatra dia ho tahaka ny “Sederan’i Libanona” ianao. Ho ambony sy mendrika ny fiainanao, ary ho voamboatra ao amin’Andriamanitra ny asanao. Hisy hery sy hafanam-po sy fahatsorana ao aminao izay hahatonga anao ho fitaovana mamirapiratra eo am-pelatanan’Andriamanitra.HAT 129.1

    Ilainao ny misotro mandrakariva eo amin’ny loharanon’ny fahamarinana, mba hahatakaranao ny tsiambaratelon’ny fahafinaretana sy ny fifaliana ao amin’ny Tompo. Kanefa tsy maintsy hotadidinao fa ny sitraponao no loharanon’ny asanao rehetra. Io sitrapo io izay mamolavola ny lafiny tena manan-danja eo amin’ny toetry ny olona, no nomena ho eo ambany fifehezan’i Satana teo amin’ny fahalavoana; ary nanomboka tamin’izay dia izy no niasa tao amin’ny olona ny amin’ny fikasana na ny fanaovana hanatanteraka ny sitrapony, kanefa ho amin’ny faharavana tanteraka sy ny fahorian’ny olona.HAT 129.2

    Kanefa ny sorona tsy manam-petra nataon’Andriamanitra tamin’ny nanomezana an’i Jesôsy Kristy, ny Zanany malalany, ho fanatitra ho an’ny ota, no ahafahany miteny, kanefa tsy mandika na dia iray aza amin’ny fitsipiky ny fanjakany, manao hoe: “Atolory ho Ahy ny tenanao; omeo Ahy io sitrapo io; esory tsy ho eo ambany fifehezan’i Satana izany, ary horaisiko ho fananako izany. Amin’izay aho afaka miasa ao anatinao na ho amin’ny fikasana na ho amin’ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapoko.” Rehefa omeny anao ny sain’i Kristy, dia ho tahaka ny Sitrapony ny sitraponao, ary hovaina ho tahaka ny toetr’i Kristy ny toetrao. Moa fikasanao ve ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra? Moa maniry ve ianao ny hankatò ny Soratra Masina? “Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka Ahy.”HAT 130.1

    Ary tsy misy zavatra tahaka izany hoe manaraka an’i Kristy izany raha mandà ny hampanaram-po ny fironana ianao ary tapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra. Tsy ny zavatra tsapanao, na ny fihetseham-ponao no hahatonga anao ho zanak’Andriamanitra fa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Fiainana mahasoa no eo anoloanao raha ny sitrapon’Andriamanitra no lasa sitraponao. Amin’izay no ahafahanao mijoro amin’ny maha-lehilahy lehibe nivoaka avy teo am-pelatanan’Andriamanitra anao, ohatry ny asa tsara. Amin’izay ianao dia hanampy amin’ny fihazonana ny fitsipiky ny fifehezan-tena, fa tsy hanampy amin’ny fanjerana azy ireny. Hanampy amin’ny fihazonana ny filaminana ianao amin’izany, fa tsy hanao tsinontsinona, ka hitarika ho amin’ny tsy firindran’ny fiainana amin’ny asa ataon’ny tenanao.HAT 130.2

    Milaza aminao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra aho, fantatro izay mety ho toeranao raha apetraka hiandany amin’ Andriamanitra ny sitraponao.HAT 131.1

    Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay. ” Azonao atao ny hanao ny asanao amin’izao fotoana izao ho amin’ny mandrakizay amin’ny fomba izay hahajoro amin’ny fitsapan’ny fitsarana. Te hanandrana ve ianao? Maniry ny hanitsy ny fiainanao ve ianao? Ianao no iantefan’ny fitiavan’i Kristy sy ny fanelanelanana ataony. Maniry ny hitolo-batana amin’Andriamanitra ve ianao anio, ary hanampy ireo izay napetraka ho mpitily hiambina ny fahalianana amin’ny asany, fa tsy hiteraka alahelo sy fahakiviana ho azy ireo? - TFC, tt. 513-516.HAT 131.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents