Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahavalo Miova Endrika

    Manomana ny famitahany i Satana mba tsy ho fantatry ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny ady farany hataony fa izy io. 2 Kôr. 11:14: «Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova try endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.» Ireo fanahy voafitaka dia milaza fa tsy misy izy, nefa dia baboiny ireo hanao asa lehibe ho azy. Fantatr’i Satana mihoatra noho ny fahafantaran’ny vahoakan’Andriamanitra ny hery izay azon’izy ireo handresena azy, raha ao amin’i Kristy no misy ny herin’izy ireo.HAT 35.3

    Raha mitalaho amin-panetren-tena ny fanampian’ilay Mpitari-tafika mahery izy ireo, ny mpino ny fahamarinana faran’izay malemy indrindra, mitoky tanteraka amin’i Kristy, dia afaka hanohitra an’i Satana sy ny miaramilany amim-pandresena. Fetsy loatra izy ka tsy hiseho mazava, feno fahasahiana, maka fanahy, satria dia hifoha ny herin’ireo Kristianina rendremana ary dia hiantehitra amin’Ilay Mpanavotra mahery izy ireo. Fa tonga tsy misehoseho izy, ary miasa miafina amin’ny alalan’ny zanaky ny tsy fanarahana, izay milaza fa manana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Hampiasa ny heriny araka izay azony atao i Satana hikitika, haka fanahy, hamery ny vahoakan’Andriamanitra. Ilay sahy nanatrika, naka fanahy, ary niteny ratsy ny Tompo, ary nanana hery nitondra azy teo an-tampon’ny tempoly, ary nankany an-tendrombohitra avo dia avo, dia hampiasa ny heriny hampitolagaga izao taranaka izao, izay tsy manana ny fahendren’ny Tompony, ary amin’ny kapobeny tsy mahalala velively ny hafetsena sy ny herin’i Satana.HAT 36.1

    Amin’ny fomba mahatalanjona no hanimbany ny vatan’ireo izay mirona amin’ny heviny. Dibo-kafaliana ery Satana rehefa lazaina fa angano izany. Rehefa hamaivanina ny momba azy, na aseho amin’ny alalan’ny toa sarin’ankizy na sarim-biby izy, dia ankasitrahany ery. Heverina ho tsy misy hery izy hany ka tsy voaomana hahita ireo drafitra maty paika ataony ny saina, ary dia mahomby matetika izy. Raha takatra anefa ny heriny sy ny hakingany dia ho voaomana hanohitra azy ny saina (...)HAT 36.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents