Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ataovy Ambony ny Tanjonao

    Betsaka amin’ireo izay nomen’Andriamanitra fahaizana hanao asa tena tsara no manao kely, satria kely no kendreny. An’arivony no mandalo amin’ny fiainana toa tsy manan-tanjona mazava ho amin’ny fiainana, tsy manana fenitra hotratrarina. Valisoa mifanentana amin’ny asany no horaisiny.HAT 77.3

    Tadidio fa tsy hihoatra ny tanjona napetrakao ianao. Koa ataovy ambony ny tanjonao, ary dingana anampy dingana, na dia amin’ny ezaka maharary aza, amin’ny fandavan-tena sy fahafoizan-tena, tetezo avokoa ny zana-tohatry ny fandrosoana. Aza avela hisy zavatra hisakana anao. Tsy namatotra ny olona amin’ny rary tsy azo vahana tsy akory ny anjara ka tsy hahita fanampiana sy hijanona ao amin’ny fahaverezan-kevitra izy. Ny zava-misakana aza no tokony hampisy fahavononana ny handresy azy ireny. Ny fandavoana sakana iray no hanome hakingana lehibe kokoa sy fahasahiana handroso indray. Mirosoa amim-pikirizana any amin’ny lalana marina, dia hanampy anao ny zava-mitranga, fa tsy ho sakana.HAT 78.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents