Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asan-Tanana sa Lalao?

    Ny fiheveran’ny maro dia manambany ny asa tanana, kanefa ny olona afaka mampanaram-po ny tenany amin’ny ala hazakazaka sy lalao baolina ary ady totohondry dia tsy heverina ho toy ny mietry. Faly i Satana rehefa mahita ny olombelona mampiasa ny heriny ara-batana sy ara-tsaina amin’izay zavatra tsy ahazoana fanabeazana, izay tsy mahasoa, izay tsy manampy azy ireo ho tonga fitahiana ho an’ireo izay mila ny fanampiany. Raha mbola mahita fifaliana amin’ny fahatongavana ho manam-pahaizana manokana amin’ny lalao izay tsy tena misy tombambidiny ho an’ny tenany sy ny hafa ny tanora, i Satana kosa dia milalao ny kilalaon’ny fiainan’ny fanahin’izy ireo. Esoriny amin’izy ireo ny talenta izay nomen’Andriamanitra azy, ary apetrany ho solony ny haratsian-toetry ny tenany. Ny fiezahana ataony dia ny hitarika ny olona tsy hahalala an’Andriamanitra. Miezaka ny hambabo sy hisintona ny saina hifantoka tanteraka amin’izany izy ka tsy hahita toerana ao amin’ny fisainany Andriamanitra.HAT 187.1

    Tsy tiany ny hananan’ny olona ny fahalalana ny Mpanao azy, ary sitrany tokoa raha afaka mampiasa ireo lalao sy lanonana an-dampihazo izy izay hampikorontana ny fahatsiarovan-tenan’ny tanora ka ho hadinon’izy ireo Andriamanitra sy ny lanitra.HAT 187.2

    Ny iray amin’ireo fiarovana azo antoka indrindra hanoherana ny faharatsiana dia ny fanaovana raharaha mahasoa, ny fandaniana andro fotsiny kosa dia iray amin’ireo ozona lehibe indrindra; satria ny faharatsiana sy ny heloka bevava ary ny fahantrana no manaraka azy. Ireo izay sahirana miasa mandrakariva sy mandeha manao amim-pifaliana ireo anjara asany isan’andro no mpikambana mahasoa ilaina eo amin’ny fiarahamonina. Amin’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo adidy samihafa izay lalovany no hahatonga ny fiainany ho fitahiana ho an’ny tenany sy ny hafa. Ny fiasana amim-paharisihana sy fitandremana tsara no hiaro azy ireo amin’ny fandrika maron’ilay «mahita foana zava-dratsy hampanaovina ny tanana mipetrapetra-potsiny»HAT 187.3

    Manjary mankarary ny rano miandrona, fa mitondra fahasalamana sy fahasambarana eo amin’ny tany ny renirano mikoriana. Ny iray tandindona maneho ny tsy fiasana, ny iray hafa kosa maneho ny fahazotoana miasa (...)HAT 188.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents