Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 2 — Antso Alefa amin’ny Tanora

    Irin’Andriamanitra ho tonga lehilahy mato-tsaina, voaomana handray anjara amin’ny asany masina, ary afaka handray andraikitra ny tanora. Tanora manana fo tsy voaloto no antsoin’Andriamanitra, mahery, sahy, ary tapa-kevitra ny hitomban-dahy manoloana ny ady, ka hanome voninahitra an’Andriamanitra sy ho fitahiana ho an’ny hafa. Raha ataon’izy ireo antom-pianarana ny Baiboly, ka feheziny ny filany mitroatra, ary henoiny ny feon’ny Mpahary sy Mpanavotra azy, dia hihavana amin’Andriamanitra izy sady hanana toetra mendri-kaja sy ambony. Ho tombontsoa mandrakizay ho anareo, ry tanora namako, ny hihaino ny toromarika ao amin’ny tenin’Andriamanitra, sarobidy ho anareo indrindra ireny.HAT 9.2

    Miangavy anareo aho ho hendry, handinika izay ho vokatry ny fiainana mivaona, sady tsy fehezin’ny Fanahin’Andriamanitra. «Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo.” Fa ho an’ny fanahinao, ho voninahitr’i Kristy, Ilay nanolotra ny ainy hanavotana anao amin’ny fahafatesana, miatoa kely eo an-tokonan’ny fiainanao, dia tombano tsara ny andraikitra, ny tombontsoa, ny fahafaha-manao anananao. Nomen’Andriamanitra fahafahana hanatratra tanjona ambony ianao. Afaka ny hanaporofo ny fahamarinan’Andriamanitra ny hery miasa mangina avy aminao; afaka ny ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra amin’ilay asa lehibe fanavotana ny olombelona ianao (...)HAT 9.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents