Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Toetra sy ny Fitondran-tena

    Ireo izay nisotro tao amin’ny loharanon’ny fiainana dia tsy tokony, tahaka izao tontolo izao, haniry fatratra ny fiovana sy ny fahafinaretana. Eo amin’ny fitondran-tenany sy ny toetrany no ahitana ny fitsaharana sy ny fiadanana ary ny fahasambarana izay hitany tao amin’i Jesôsy amin’ny alalan’ny fametrahana eo an-Tongony isan’andro isan’andro ny fahasahiranan-tsaina sy ny enta-mavesatra. Hasehon’izy ireo fa ny lalan’ny fankatoavana sy ny adidy no misy ny fahafaham-po, eny, fifaliana. Hampiasa hery miasa mangina eo amin’ireo mpianatra namany izay hanakoako manerana ny sekoly manontolo ny olona toy izany (...)HAT 155.2

    Raki-tsarobidy tsy hay tombanana ny tanora izay mazoto sy mahatsapa andraikitra ary mahatoky ao an-tsekoly. Mijery amim-pitiavana azy ny anjelin’ny lanitra, ary voarakitra ao amin’ny bokiben’ny lanitra ny asam-pahamarinana rehetra, ny fakam-panahy voatohitra rehetra, ny faharatsiana rehetra noresena. Mametraka fototra tsara ny amin’ny fotoana ho avy izy mba hahazoany ny fiainana mandrakizay.HAT 156.1

    Miankina betsaka amin’ny tanora kristianina ny fitehirizana sy ny fitohizan’ny toeram-pampianarantsika izay nokendren’Andriamanitra ho fitaovana hampandrosoana ny Asany. Tsy mbola nisy mihitsy vanim-potoana noho izao izay ny vokatra tena manana ny lanjany dia niankina tamin’ny taranaka anankiray. Noho izany, endrey manao ahoana ny maha-zava-dehibe ny tokony hanofanana ny tanora ho amin’izany asa lehibe izany, mba hahafahan’Andriamanitra mampiasa azy ireo ho toy ny Fitaovany! Manan-javatra takina amin’izy ireo izay ambony indrindra noho ny zavatra hafa rehetra ny Mpanao azy.HAT 156.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents