Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 126 — Tenim-Pananarana

    Mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fampivelarana ny hery ara-batana sy ny herin’ny saina; kanefa ny toetoetry ny fampiasana ny vatana dia tokony hifanaraka mandrakariva amin’ny lesona nomen’i Kristy ho an’ny mpianany. Tokony hampihatra izany eo amin’ny fiainany ny Kristianina: na mpampianatra izy na mpianatra, dia amin’izay rehetra mahakasika ny atao hoe fanabeazana sy ny fampivelarana ny maha-olona, izay tsy tokony ho voakilasy ao anatin’ny tia fahafinaretana. «Tia fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra” -2 Tim. 3:4: azo amaritana ny olona maro ankehitriny izany.HAT 323.2

    Toy izany no fomba amelaran’i Satana sy ny forongony ny haratony eo alohan’ny fanahy. Tadiaviny izay hanofanana ny mpampianatra sy ny mpianatra amin’ny fahafinaretana manimba, izay mampirona ho amin’ny fitiavana maloto, mamorona ny hatendan-kanina sy ny faniriana izay mandrotidrotika ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’ny fo.HAT 323.3

    Mila mahay mampiovaova ny fampiasan-tena sy ny asa atao any an-tsekoly ny mpampianatra. Nasehon’Andriamanitra fa tokony ho araka ny endrika mahasoa sady tena ilaina ny asa atao. Kanefa maro ireo miodina amin’ny drafitr’Andriamanitra manao sorona ny aim-panahiny ary manaraka izay foromporonin’ny sain’olombelona. Simban’ny fahafinaretana nomena toerana ambony indrindra ny asan’ny Fanahy; atao avokoa izay hampalahelovana ny Tompo (...)HAT 323.4

    «Mahonòna tena, miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany » -1 Pet. 5:8. Eo an-kianjam-pilalaovana eo izy mitazana tsara ny fialam-bolinareo ary mamandrika izay tsy miambina ny tenany, mamafy ny voan’ny tsimparifary ary manao izay hangejany ny fanahinao. Manatrika ireny lalao atao any an-dakilasy ireny ilay fahavalo. Ny tanora tia milalao sy tia fihetsiketsehana no tena mila ireo fampitandremana, ireo torolalana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nasehon’Ilay Andriamanitry ny fahendrena rehetra ny liana ny fampiasan-tena. Isan’andro isika dia tokony hanokana fotoana hanaovana asa fanabeazana hanomana ny tanora ho amin’ny fiatrehana ny fiainana, izay tokony ho laharam-pahamehana amin’ireo tanorantsika.HAT 324.1

    Ny tanorantsika mandia sekoly dia tokony ho toa an’i Daniela, mifandray akaiky amin’Ilay Loharanon-kerin’ny fahendrena, mba hahafahany manatratra ny ambony indrindra amin’ny lafiny rehetra. Nanana ny fitiavana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra i Daniela; fantany tsara avokoa ny andraikitra andrasan’Andriamanitra aminy. Tsy neken’ireo efa-dahy namany ny hanjakazakan’ireo tia tena sy tia fahafinaretana amin’ny fotoana sarobidy nomena azy ireo. Niasa tamin’ny fo sy ny fahazavan-tsaina izy ireo. Idealy tokony harahin’ny tanora kristianina tsirairay izany. — Counsels to Teachers, Parents and Students, tt. 281-284.HAT 324.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents