Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Resaka Ataontsika

    Ny fivavahana manaraka ny toetr’andro amin’izao fotoana izao dia namolavola tokoa ny toetra ka ny tanora izay milaza ho manaiky an’i Kristy dia zara raha manonona ny Anarany amin’ireo namany. Miresaka mikasika ny lohahevitra maro izy ireo, kanefa ny drafi-panavotana sarobidy dia tsy atao ho anton-dresaka. Amin’ny maha-Kristianina antsika, tsy tokony hovaina ve izany fandehan-javatra izany, ary hilaza «ny hatsaran’Ilay niantso antsika hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” Raha mitoetra ao am-po amin’ny alalan’ny finoana i Kristy, dia tsy afaka ny hangina ianao. Raha nahita an’i Jesôsy ianao dia ho tena misiônera marina tokoa, ary ho feno hafanam-po amin’izany lafiny izany; ary avelao hahafantatra ireo izay tsy mankasitraka an’i Jesôsy fa sarobidy ho an’ny fanahinao ny fahitanao Azy, izay nametraka teo imolotrao ny hira vaovao, ny fiderana an’Andriamanitra.HAT 173.2

    Ry tanora namako, tianao va ny hanombohanao ny fiainana kristianina ho tahaka ny an’ireo izay nohafanain’ny fitiavan’i Jesôsy? Tsy ho fantatrao mihitsy ny habetsahan’ny fahatsarana izay mety ho vitanao amin’ny alalan’ny fitenenana amim-pitiavana manohina, ireo teny hentitra mikasika ny famonjena ny fanahin’ireo izay milaza ho tsy zanak’Andriamanitra. Etsy an-daniny tsy ho fantatrao mihitsy raha tsy amin’ny fitsarana hoe firy ireo tombontsoa azo nohararaorina hijoroana ho vavolombelona ho an’i Kristy nefa navelanao handalo fotsiny. Mety tsy ho fantatrao mihitsy eto amin’ity tany ity ny fihetsika tsy voahevitra mety hampidi-doza nataonao tamin’ny fanahy sasantsasany amin’ny alalan’ireo asa tsinontsinona, resaka tsy misy dikany sy hamaivanan-tsaina, izay tsy mifanaraka tanteraka amin’ny finoanao masina.HAT 174.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents