Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampiasana ny Talentantsika

    Ry tanora namana, miorina amin’ny fahatahorana an’i Jehôvah ny fandrosoana rehetra; izany no fiandohan’ny fahendrena. Manana fahefana aminareo ny Rainareo Izay any an-danitra; fa tsy niandry fangatahana na fahamarinana avy taminareo Izy raha nanome anareo ny hasoan’ny fikarakarany; ary mihoatra noho izany, nomeny tao amin’ilay fanomezana tokana ny lanitra manontolo, dia Ilay Zanany malala. Ho setrin’izany fanomezana lehibe indrindra izany, dia mitaky fankatoavana an-tsitrapo Izy. Satria novidiny tamin’ny ra sarobidin’ny zanak’Andriamanitra ianareo, dia miandry anareo hampiasa amin’ny fomba marina ny tombontsoa anananareo izy. Avy amin’Andriamanitra ireo hery ara-tsaina sy ara-panahy, talenta nomena hotantananareo hitomboany tsara, ary tsy afaka ny hampatory tsy hanabe ireo ianareo, na hanimba sy hampahaosa azy amin’ny tsy fampiasana azy Anjaranareo ny manapa-kevitra na hotanterahina ireo andraikitra mavesatra napetraka taminareo, na tsia, mifototra tsara sady izay tsara no tanjon’ireo ezaka rehetra.HAT 26.1

    Velona amin’ny faran’ny andro feno loza isika. Liana amin’ny toetra izay volavolainao ny lanitra manontolo. Nomena anao ny harena rehetra, hahatonga anao handray anjara amin’ny toetran’Andriamanitra, mandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao avy amin’ny fitsiriritana. Tsy navela ho ianao irery no handresy ny herin’ny ratsy amin’ny ezaky ny tenanao malemy. Tsy lavitra ny fanampiana, ary homena ireo fanahy tena maniry fatratra izany. Ny anjelin’Andriamanitra, izay miakatra sy midina ny tohatra hitan’i Jakôba tamin’ny fahitana, dia hanampy ireo fanahy tsirairay hananika hatreny amin’ny lanitra ambony indrindra. Mpiambina ny vahoakan’Andriamanitra ireo, mijery ny fomba andalovana ireo zana-tohatra tsirairay Izay mizotra amin’ny lalana mamirapiratra dia hovaliana soa, hiditra ao amin’ny fifalian’ny Tompony. -FCE, tt. 82-86.HAT 26.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents