Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tombambidin’ny Vola

    Tsy nomena antsika ny volantsika mba hiderantsika sy hanome-zantsika voninahitra ny tenantsika. Amin’ny maha-mpitandrina fananana mahatoky antsika dia tokony hampiasaintsika izany ho amin’ny fiderana sy ny voninahitr’Andriamanitra. Misy mihevitra fa ny ampahany fotsiny amin’ny fananany ihany no an’ny Tompo. Rehefa manokana ny ampahan’izany ho an’ny fiangonana sy ny asa soa izy dia heveriny fa an’ny tenany ny ambiny ka azony ampiasaina amin’izay tiany hanaovana azy. Nefa tena diso hevitra tanteraka izy amin’izany. Izay rehetra ananantsika dia an’ny Tompo ary hampamoahina ny amin’izay nampiasantsika azy isika indray andro any. Ny fampiasana ny iraimbilanja tsirairay no ahitana raha tia an’Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra isika sy tia ny namantsika tahaka ny tenantsika.HAT 270.4

    Be vidy ny vola satria mety hahavitana soa betsaka. Eo am-pelatanan’ny zanak’Andriamanitra dia sakafo ho an’ny noana izany, rano ho an’ny mangetaheta ary fitafiana ho an’ny mitanjaka, fiarovana ho an’ny ampahorina ary hoenti-manampy ny sahirana. Nefa tsy ambony vidy noho ny fasika ny vola raha tsy ampiasaintsika hahazoana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ho fitahiana ny hafa ary ho fampandrosoana ny asan’i Kristy. - Henoinareo ny Fanoharana, tt. 363, 364 .HAT 271.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents