Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Kristy Hany Fanantenana ho Antsika

    Nampijalina, noesoina, notevatevaina i Kristy; rakotra fakam-panahy ny teo ankavanany sy ny ankaviany, kanefa tsy nanota izy, fa naneho teo anatrehan’Andriamanitra fankatoavana tanteraka izay tena nahafa-po tokoa. Tamin’ny alalan’izany no nanesorany mandrakizay ireo toa fialan-tsiny ny amin’ny tsy fankatoavana. Tonga mba haneho amin’ny olona ny fomba hankatoavana izy, ny fomba hitandremana ny didin’Andriamanitra rehetra. Navelany ny hery amin’ny maha-Andriamanitra azy, ary izany no hany fanantenana ho an’ny mpanota. Natolony ny ainy mba hahatonga ny olona ho mpiara-manana ny toetran’Andriamanitra, izay nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny fanirian-dratsy (...)HAT 141.1

    Nomen’Andriamanitra talenta ny tanora mba hampiasaina ho amin’ny tsara ho voninahitr’Andriamanitra; kanefa maro no mampiasa ireo fanomezana ireo amin’ny fikasana tsy nohamasinina sy tsy masina. Maro ireo manana fahaiza-manao izay, raha kolokoloina dia hitondra vokatra betsaka eo amin’ny fahalalana ara-tsaina, ara-pitondran-tena sy ara-batana. Kanefa tsy mijanona hihevitra izany izy ireo, tsy mikajy ny ho sandan’ny zavatra ataony, mampirisika ny tsy firaihana sy hadalana ka tsy hihaino ny torohevitra sy fananarana. Fahadisoana mahatsiravina izany. Hahafehy ny saina kokoa ny tanora raha tsapany fa eo amin’izy ireo ny mason’Andriamanitra, ary mijery ny fivoaran’ny toetra ny anjelin’Andriamanitra, ary mandanja ny fahamendrehana ara-pitondran-tena. - YI, 27 Jol. 1899.HAT 141.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents