Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Andosiro ny Fakam-Panahy Tsy Ilaina

    «Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.» Ary manana anjara hatao koa isika: Tsy hitoetra eo amin’ny lalan’ny fakam-panahy tsy ilaina. Hoy Andriamanitra: «Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy (...) ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanakolahy sy ho zanakovavy (...)» Raha miray amin’izao tontolo izao amin’ny fahafinaretana isika, manao ny fanaony, manakambana ny tombontsoantsika amin’ny tsy mpino, dia mametraka ny tongotsika eo amin’ny lalan’ny fakam-panahy sy ny fahotana, koa ahoana moa no hiarovan’Andriamanitra antsika tsy ho lavo?HAT 63.1

    Andeha harovana amin’ny hery miasa mangina avy amin’izao tontolo izao ny tenantsika. Aza mandeha any amin’ny toerana avon’ny herin’ny fahavalo tsy nasaina ianao.HAT 63.2

    Aza mankany amin’ny toerana hakana fanahy sy hampiviliana anao. Fa raha manana hafatra ho an’ny tsy mino ianao, ary mivelona akaiky an’Andriamanitra ka afaka hampahery amin’ny teny, dia hahavita asa hanampiana azy ireo ianao sy hanome voninahitra an ‘Andriamanitra. «Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy», hoy Kristy. -RH, 14 Apr., 1904.HAT 63.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents