Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 41 — Tari-Dalana avy amin’Andriamanitra

    Misy fomba telo izay hanehoan’ny Tompo ny sitrapony amintsika, hitari-dalana antsika (...) Maneho ny sitrapony amintsika amin’ny Teniny Andriamanitra, ny Soratra Masina. Miseho ihany koa ny feony amin’ny alalan’ny asany eo amin’ny fikarakarany antsika; ary ho tsapantsika izany raha toa ka tsy mampisaraka ny fanahintsika Aminy isika amin’ny fizorana amin’ny lalantsika, manao zavatra araka ny sitrapontsika, ary manaraka ny fironan’ny fo tsy nohamasinina, mandra-pahatongan’ny fahaiza-mandinika sy mandanjalanja ananantsika hikorontana ka tsy mahay manavaka ny zavatra maharitra mandrakizay, ary tena miova endrika ny feon’i Satana ka dia ekena ho toy ny feon’Andriamanitra.HAT 132.1

    Ny fomba hafa handrenesana ny feon’Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny antson’ny Fanahy Masiny, misy fiantraikany ao am-po, izay ho hita soritra eo amin’ny toetra.HAT 132.2

    Raha misalasala ianao mikasika ny lohahevitra anankiray, tsy maintsy dinihinao aloha ny Soratra Masina. Raha tena nanomboka marina ny fiainam-pinoana ianao dia nanolotra ny tenanao ho an’ny Tompo, ho Azy manontolo, ary noraisiny ianao hovolavolainy sy hamboariny araka ny fikasany, mba hahatonga anao ho fanaka ho amin’ny voninahitra. Tokony hanana faniriana mivaivay ny hovolavolaina eo an-tanany ianao, ary hanaraka na aiza na aiza mety hitondrany anao. Koa matoky azy ianao mba hanatanterahany ny drafitra ataony, ary miaraka amin’izay ihany koa dia miara-miasa Aminy amin’ny fiasana amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anao. - TFC, b. 5, t. 512.HAT 132.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents