Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fifehezana ny Saina

    Naseho ahy fa tsy afaka ny hifehy ny saina i Satana raha tsy efa nomena azy ny fahefana hanao izany. Koa tandindomin-doza ireo izay miala amin’ny marina. Izy mihitsy no miala amin’Andriamanitra sy miala amin’ny fiambenan’ireo anjelin’Andriamanitra mikarakara; ary i Satana, izay vonona mandrakariva ny hanimba ny fanahy, dia manomboka ny famitahany ny fanahy toy izany, izay tena tandindomin-doza tokoa. Ary raha taitra izy ireo ka miezaka ny hanohitra ny herin’ny fahamaizinana sy hanavo-tena avy ao amin’ny fandrik’i Satana, dia hahita fa tsy zavatra mora akory izany. Niroso tany amin’ny tanin’i Satana izy ireo ary dia takiny ho azy. Tsy hisalasala ny hampiasa ny heriny rehetra izy, ary hiantso ny andian-tafiny hiady io fanahy iray eo am-pelatanan’i Kristy io.HAT 43.3

    Hanao ezaka tsy omby tratra, hanavo-tena avy amin’ny herin’i Satana, ireo izay naka fanahy azy haka fanahy azy ireo. Ho avy hanavotra azy ireo ny anjelin’Andriamanitra izay nampalaheloviny, raha vantany vao manao ezaka izy ireo. Tsy maniry ny handao ny hazany anefa i Satana sy ny anjeliny. Hifanehatra sy hiady amin’ireo anjely masina izy ireo, ary ho henjana ny fifandonana. Fa raha manohy mivavaka ireo izay nania, manetry tena lalina sy miaiky ny fahadisoany, dia handresy ireo anjely feno hery ary dia hamonjy azy ireo avy ao amin’ny herin’ny anjely ratsy.HAT 44.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents