Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 82 — Mitrandraka ny Soratra Masina ho an’ny Tena

    Tokony handinika sy hitrandraka ny Soratra Masina ho an’ny tenany manokana ireo tanora. Tsy mety ny fahatokian-tenan’ireo olona manana fanandramana mikasika ny fahamarinana ary ny zatovo dia tsy tokony hatoky fahatany ireo fahamarinana omen’ny lehibe. Lavo ny Jiosy satria niodina tamin’ny fahamarinan’ny Baiboly ireo mpitondra fanjakana sy mpitari-pivavahana ary ireo razany. Tsy ho diso fanantenana mantsy izy ireo raha nanaraka ny fampianaran’i Kristy ka samy ho nandalina ny Soratra Masina (...)HAT 225.2

    Tsy misy fahalalana afaka ny hahatakatra ny hasarobidy sy ny halehibiazan’ny fanantenana nomen’Andriamanitra. Ny iray hahita ny voninahitra amin’ny lafiny iray, ny iray kosa ny hatsarany sy ny fahasoavany ary dia ho feno ny fahazavan’ny lanitra mamirapiratra izy. Ho torana isika raha nahita maso ny voninahiny rehetra kanefa azontsika atao ny mandray sy mifaly amin’ny fahitana ny teny fikasana marobe avy amin’Andriamanitra. Tena mampahory ny foko tokoa ny mieritreritra ny tsy fahatakarantsika ny fahafenoan’ireo fitahiana atobaka amintsika. Mionona amin’ny hazavana kely amin’ny fivavahana isika, kanefa dia azontsika atao ny mandeha isan’andro isan’andro eo ambanin’ny fanatrehany amin’ny fahafenoan’ny fahazavany. — TM, tt. 109, 111.HAT 225.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents