Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ireo Dingana Voalohany

    Tombontsoan’ny Kristianina rehetra ny hifaly amin’ny fanetsiketsehana lalin’ny Fanahin’Andriamanitra. Fiadanana mamy avy any an-danitra no hameno ny saina, ary ho tianao ny handinika lalina an’Andriamanitra sy ny lanitra. Ary hilanonana amin’ny teny fikasana be voninahitry ny Teniny ianao. Kanefa fantaro aloha fa nanomboka ny lalana kristianina ianao. Fantaro fa ireo dingana voalohany dia raisina eny an-dalan’ny fiainana mandrakizay. Aoka tsy ho voafitaka. Matahotra aho, eny, fantatro fa maro aminareo no tsy mahafantatra ny dikan’izany hoe fivavahana. Nahatsapa fientanentanana, fihetseham-po ianao, kanefa tsy nahita mihitsy ny fahotana araka ny tena halehibeazany. Tsy tsapanao mihitsy ny toetranao tsy tanteraka, ary hiala amin’ny lalan-dratsy amin’alahelo mangidy. Tsy mbola maty tamin’izao tontolo izao mihitsy ianao. Mbola tianao ny fahafinaretany; tianao ny mirotsaka an-tsehatra amin’ny resaka mikasika izao tontolo izao. Kanefa rehefa miditra ny fahamarinan’Andriamanitra dia tsy manan-kolazaina ianao. Nahoana no tena mangina ianao! Nahoana no tena be resaka rehefa zavatra mikasika izao tontolo izao, ary tsy manan-kolazaina mikasika ny lohahevitra izay tena mahakasika anao, -lohahevitra izay tokony hirotsahan’ny fanahinao manontolo? Tsy mitoetra ao aminao ny fahamarinan’Andriamanitra - TFC, b. 1, tt. 158,159.HAT 108.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents