Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fandinihana ny Fo

    Diniho akaiky ny fonao manokana, sy ny toetry ny fitiavanao an’Andriamanitra. Hadihadio, moa ve aho nanokana ireo fotoana sarobidy androany tamin’ny fikatsahana izay mahafinaritra ahy, nikatsaka izay mahafaly ny tenako manokana? Sa nanao izay hahasambatra ny hafa aho? Moa ve aho nanampy ireo izay nifanerasera tamiko hanolo-tena bebe kokoa ho an’Andriamanitra sy hankasitraka ny zavatra maharitra mandrakizay? Moa ve nentiko ao an-tokantranoko ny fivavahako, ary nasehoko tamin’ny fiteniko sy ny fitondran-tenako ny fahasoavan’i Kristy? Amin’ny alalan’ny fankatoavako amim-panajana, moa ve manome voninahitra ny ray aman-dreniko aho, ary amin’izany dia mitandrina ny didy fahadimy? Moa ve noraisiko tamim-pifaliana ireo adidy madinika isan’andro, nanatanteraka azy ireny tamim-pahatokiana, nanao izay azoko natao nanamaivanana ny enta-mavesatry ny hafa? Moa ve niaro ny lelako tamin’ny ratsy aho, ary ny molotro tsy hiteny fitaka? Moa ve nanome voninahitra an’i Kristy Mpanavotra ahy aho, izay nanome ny ainy sarobidy mba hahazoako ny fiainana mandrakizay?HAT 97.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents