Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 112 — Fitahiana ao an-Tokantrano

    Hoy ny Tompo amintsika: «Anaka, atolory ahy ny fonao! » Tian’Ilay Tompon’izao rehetra izao ny hanoloran’ny zaza sy ny tanora ny fon’izy ireo ho Azy. Ho maro ny zaza ao amin’ny tafika hijoro ho mahatoky ho an’i Kristy, satria mandeha amin’ny fahazavana izy ireo, tahaka an’i Kristy izay fahamarinana ho antsika. Ho tia an’i Jesôsy izy ireo ary hanao ny sitrapony ka tsy himenomenona raha sendra kivy, fa hampifaly ny ray aman-dreniny amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy sy ny faharetana ary ny fandavan-tena asehon’izy ireo eo amin’ny fanampiany azy amin’ny ady amin’ny fiainana. Eo amin’ny fahazazana sy ny fahatanorana no ahitana ny tena mpianatr’i Kristy marina tokoa.HAT 291.1

    Rankizy, ry tanora malala, efa azonao atao sahady amin’izao maha-tanora herotrerony anao izao ny ho fitahiana ho an’ny fianakavianao. Tena mampalahelo tokoa anie ny mahita tanora tsy mankatò, tsy manara-dalàna miseho ho matahotra an’Andriamanitra kanefa tsy manaja ny ray aman-dreniny, mirona mandrakariva hanao ny filan-dratsiny ary tsy mihevitra akory izay hahazo ny ray aman-dreniny. Mibitaka erỳ i Satana mangeja ny fon’ireny zaza ireny; raha avela hahazo vahana eo amin’izy ireo izany dia hampianatra azy hanana saina feno fankahalana.HAT 291.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents