Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 21 — Ny Famitahan’ny Ota

    Tsy misy mpamadika tahaka ny famitahan’ny ota. Ny andriamanitr’izao tontolo izao no mamitaka sy manajamba ary mitarika ho amin’ny fandravana. Tsy avy hatrany dia miaraka amin’ireo famitahany rehetra i Satana. Ovany endrika amin’ny fisehoana tsara ireo fakam-panahy. Ampiarahina amin’ny filalaovana sy fahadalana ny fivoarana kely, ary dia raisin’ny fanahy voafitaka ho fialan-tsiny ny hahazo soa amin’ny firobohana amin’ireny. Izay anefa ilay lafiny famitahana. Voasarona ilay fahaizan’i Satana mitondra ho any amin’ny helo. Manao dingana iray ny fanahy voafitaka, dia voaomana hanaiky ny manaraka. Mahafinaritra ery ny manaraka ny fironan’ny fo toy izay mijoro hiambina, ary hanohitra ny fanafihana voalohany ataon’ilay fahavalo fetsy, ary dia hanidy ny varavarana hidirany.HAT 64.1

    Manao ahoana moa ny fiambenan’i Satana ny fandrika novelariny sy ny fijeriny ireo fanahy mandeha amin’ny lalana izay nomaniny! Tsy iriny ny hanajanonan’ireo ny vavaka sy ny endriky ny fandraisana andraikitra ara-pivavahana; fa izay no tena hahafahan’izy ireo hanompo azy. Ampiarahiny amin’ny fanandramana sy ny asan’izy ireo ny fahalalany sy ny fandrika mamitaka ataony, ary dia mahatalanjona ny fandrosoan’ny famitahany.HAT 64.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents