Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Laharam-Pahamehana

    Ireo izay nandray anjara tamin’ny fotoan’ny batisa dia tokony hanana fandavan-tena sy fanoloran-tena hikatsaka ny zavatra any ambony, dia tsy iza fa i Kristy mipetraka eo an-tanan-kavanan’ny Ray, manao asa fanelanelanana ho an’ny mpanota isam-potoana. Mitaky amin’ireo izay mitondra ny anarany Andriamanitra manao hoe: inona no nampiasanao ireo hery namonjena anao tamin’ny nahafatesan’ny Zanako? Moa ve nampiasa ny herinao rehetra ianao hahazoanao ny zava-panahy? Moa ve ireo fahefana ambony nomena anao nampiasainao tamin’ny fitadiavana ny fiainana mandrakizay?HAT 277.2

    Mila fanavaozana goavana ny zanak’Andriamanitra. «Koa amin ‘izany na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany » -1 Kôr. 10:31. Ireo lehilahy sy vehivavy nametrahan’Andriamanitra fitokiana hanao ny asany dia tsy maintsy manao izay fara heriny amin’ny fitorinana ny filazantsara ary manome fampitandremana ireo izay mitady ho very vokatry ny tsy fahalalany. Moa ve ianao rehefa avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra tsy mbola ho sahy hanampy ny hafa eo amin’izany asa izany? Mitsangàna ka asehoy amin’ny fitiavanao ny hafa sy ny asa ataonao fa olona niova fo sy novonjena ianao.HAT 277.3

    Tsy maintsy ampiasaina ho amin’ny asa famonjena ny hafa ny ariary tsirairay. Ireny vola nariana ho amin’ny fanangonana sarin’olona ireny dia azo ampiasaina tsara hanohanana ireo misiônera any amin’ny sahan’ny Tompo. Ny erikerika mahatondra-drano. Manodinkodina ny volan’Andriamanitra isika raha toa ka ampiasaintsika amin’ny fahafinaretantsika sy ny fitiavan-tenantsika ireo vola tokony hampiasaina ho amin’ny asa fampitandremana sy asa famonjena farany atao amin’izao andro izao. Ataon’Andriamanitra ahoana moa, ny handrotsaka fitahiana ho anao raha toa izay vola omeny hotantaninao no ampiasainao amin’ny fitiavan-tenanao ihany? Ahoana no mba ho fijerin’ny Tompo ireo izay mandany vola amin’ny fitiavan-tsary? Volabe azo ampiasaina hividianana takila maro ary aparitaka any amin’ny toerana mbola feno haizina ireny.HAT 278.1

    Ny fahamarinana nankinin'Andriamanitra amintsika dia tokony hozaraintsika amin’ny hafa. Tombontsoa manokana ho antsika ny fanaovana izany asa lehibe sy manan-danja izany. Miantso antsika Andriamanitra hanao fanati-panoloran-tena ho Azy amin’izany izay takin’ny filazantsara amintsika. Mila izay rehetra azontsika atolotra ny fanatanterahana izany asa izany. Ny fandaniam-potoana amin’ireny sary ireny dia fitiavan-tena avokoa, ary fijoroana ho vavolombelona ratsy hampamoahana antsika any am-parany any ireny. Amin’ny alalan’ireny faharatsian’ny fitiavan-tena ireny dia maro ny mololo sy ny biriky ary ny hazo hodorana, hofongorana amin’ny afo amin’ny andro farany.HAT 278.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents