Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Lanjan’ny Fitsipi-Pifehezana ao an-tSekoly

    Mankarary fo ny toetra tsy miraharaha sy tsy hay fehezina ananan’ny tanora maro ankehitriny eo amin’izao tontolo izao. Raha mba afaka mahita ny tanora fa amin’ny fileferana amin’ireo lalana sy fitsipika ao amin’ny toeram-pampianarantsika dia tsy manao afa-tsy izay hanatsarana ny toerana misy azy eo amin’ny fiarahamonina izy ireo, hanandratra ny toetra, hahamendrika ny saina, ary hampitombo ny fahasambaran’izy ireo, tsy hikomy amin’ireo fitsipika sy ireo zavatra takina, ary tsy hirotsaka an-tsehatra amin’ny famoronana fisalasalana sy fitsikerana hanohitra izany toeram-pampianarana izany.HAT 156.3

    Amin-kery sy amim-pahatokiana no tokony hanatanterahana izay takina amin’izy ireo; ary ho antoka ho amin’ny fahombiazana izany Ny tanora izay tsy nahita fahombiazana mihitsy teo amin’ny adidy mahazatra eo amin’ny fiainana dia tsy ho voaomana ihany koa handray anjara amin’ny adidy ambonimbony kokoa. Azo amin’ny alalan’ny olana, fahadisoam-panantenana, fifehezan-tena hentitra, sy vavaka mafana irery ihany ny fanandramana ara-pivavahana. Ireo dingana rehetra mankany an-danitra dia tsy maintsy raisina tsirairay avy ihany, ary ny dingana mandroso rehetra dia manome hery ho amin’ny manaraka. - CTPS, tt. 98100.HAT 157.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents