Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 34 — Fanandramana Kristianina Tena Izy

    Hitako fa raha tsy misy fiovana tanteraka eo amin’ny tanora, fiovam-po tanteraka, dia mety ho diso fanantenana ny amin’ny lanitra izy ireo. Fa araka izay naseho ahy, tsy mihoatra ny antsasaky ny tanora izay milaza ho mivavaka sy manana ny fahamarinana no tena niova fo marina. Raha niova fo izy ireo dia ho nitondra vokatra ho voninahitr'Andriamanitra. Maro no miantehitra amin’ireo izay heverina ho fanantenana kanefa tsy tena marim-pototra. Tsy voadio ny loharano; noho izany ny renirano avy amin’izany loharano izany dia tsy madio. Diovy ny loharano, dia hadio ny renirano.HAT 106.2

    Raha madio ny fo, ny fiteninao, ny fitafianao, ny asanao dia ho araka ny tokony ho izy avokoa. Tsy ampy ny tena toe-panahy araka an’Andriamanitra marina. Tsy te hanalabaraka be loatra ny Tompoko aho ka hanaiky fa ny olona tsy miraharaha, tsy misy dikany, tsy mivavaka no atao hoe Kristianina. Tsia, ny Kristianina iray dia manana fandresena ireo zava-mamatotra azy, sy ireo filan-dratsy. Misy fanafody ho an’ny fanahy mararin’ny fahotana. I Jesôsy izany fanafody izany. Mpamonjy sarobidy! Ampy ho an’izay malemy indrindra ny Fahasoavany; ary ny matanjaka indrindra dia tsy maintsy manana ihany koa ny Fahasoavany na ho very.HAT 106.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents