Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 97 — Fampiasana ny Mozika amin’ny Tsy Tokony ho Izy

    Misy trano ahitana ny fanatrehan’ny anjely. Tanora maromaro no mivory amin’izany trano izany ary re avy ao ny feon-java-maneno. Kristianina iza moa anefa ireo ary inona no renao amin’izany? Toa hira tsy misy fotony, mendrika ny any amin’ny trano fandihizana. Indro fa manala ny tara-pahazavany ny anjely ary mamela ireo tanora ao anatin’ny haizina. Miala tsikelikely ireo anjely, malahelo. Mitomany izy ireo. Sary naseho tamiko matetika tamin’ireo fahitana azoko tamin’ireo mpitandrina ny Sabata, indrindra indrindra fa tamin’ny (...) Ora maro no lany tamin’ny mozika, nefa fotoana tokony ho nivavahana. Toy ny sampy ny mozika, mahazo ny fanomezam-boninahitra avy amin’ny Kristianina maro milaza azy ho mitandrina ny Sabata izy Tsy manivaiva ny mozika i Satana raha toa ka fantsona iray mora aminy mba hahazoany ny sain’ny tanora maro izany ka ho very ny fotoana izay tokony hanaovany ny asan’Andriamanitra. Ampiasainy ny fomba mahery vaika indrindra hahafahany mitazona ny olona ao amin’ny fimatimatesana ka ho babon’ny heriny. Tombontsoa manokana ny mozika raha toa ka ampiasaina amin’ny tokony ho izy, fa rehefa eo am-pelatanan’i Satana izany dia lasa fandrika tena mampidi-doza tokoa. Ny fanararaotana ny mozika dia miteraka fiavonavonana sy fieboeboana ary fahadalana ho an’ireo tsy fenon’ny fahamasinan’Andriamanitra. Amin’ny fakana tsy an-drariny ny toeran’ny vavaka sy ny fibanjinana an’Andriamanitra no mahatonga ny mozika ho tena ozona tokoa. Tanora maro mivory mba hihira, mampianatra ny mikasika ny Sabata no tsy manome haja an’Andriamanitra sy ny finoany amin’ny resaka tsy misy antony sy mozika tsy misy fotony. Tsy mba levon’ny vavonin’izy ireo ny hira masina. Naverimberina tamiko ny fampianarana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izay tena nanazava ny mikasika io lohahevitra io, nalefa tamim-pahanginana ary naverimberina tamiko. Amin’ny androm-pitsarana ny teny rehetra avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra no hanameloka ireo izay nanao tsirambina ny amin’izany. - Testemonies for the Church, b. 1, t. 506.HAT 257.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents