Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Kolontsaina Ambony

    Afaka mifanakalo hevitra amin’ireo patriarka sy mpaminany ny mampaky, afaka manatrika ireo toe-javatra misy fampianarana tsara avy amin’ny tsindrimandry; azony atao ny mahita an’i Kristy, Ilay Mpisoron’ny lanitra, mitovy amin’Andriamanitra, nidina tetỳ an-tany mba hanatanteraka ny planin’ny famonjena, nandrava ny fatorana nangejan’i Satana ny zanak’olombelona, mba hisaloran’ny olombelona ny hery sy ny endrik’Andriamanitra. Kristy nitafy ny maha-olombelona, niaina toa antsika telopolo taona, ary nanolotra ny ainy ho sorona ho takalon’ny fahotana, mba hanafahana ny olona avy amin’ny fahaverezana ho amin’ny famonjena: io no tokony ho toe-javatra mendrika indrindra hifantohan’ny fandalinana sy ny fikarohana lalin’ny zanak’olombelona...HAT 223.1

    Ny fanahy resy lahatry ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy afaka hampanidintsidina ny sainy intsony na mbola hianatra lohahevitra maivan-danja: ho rikoriko sy hiodina izy raha sendra mifanehatra amin’ny fialam-boly manimba saina ataon’ny tanora ankehitriny. Ireo izay nifandray tamin’ny pôeta sy ny olon-kendrin’ny Baiboly, izay nampihetsika amin’ny endri-piderana ireo mahery fon’ny finoana, dia hanana ao an-tsaina ao fanahy mihaja, ambony, fo madio lavitra noho izay azony tamin’ny fanarahana ireo mpanoratra tsy masina tahaka an-dry Farao, Herôda, Kaisara.HAT 223.2

    Mijanona ho mandry ny herin’ny fahatanorana amin’ny ankamaroany satria hadinony fa ny «fahatahorana an'Andriamanitra no fiandoham-pahendrena” -Sal. 111:10. Nomen’Andriamanitra fahendrena sy fahalalana i Daniela satria tsy tiany ny hifindran’ny herin’ny toetra sy fomba amam-panao mifanohitra amin’ny fitsipi pivavahany. Vitsy ny olo-manga, manam-paharetana sy tombam-bidy ambony lavitra vokatry ny fizahozahoana sy ny fisarahany amin’ny Lanitra.HAT 223.3

    Tsy mba atahoran’ny olon-dehibe sy ny ankizy ary tsy tiany sy hajainy Andriamanitra. Tsy araka ny fitompoan-teny amin’ny fitondrana ny anarana no ivavahana. Tsy afaka hanao zava-dehibe ho an’ny olombelona Andriamanitra, satria mirona ho amin’ny fireharehana izy ireo, ary voafetra ny finoany. Maniry ny hampitombo ny fahafaha-manaontsika Andriamanitra, mba hampivelatra sy hanolokolo ny fiainantsika. Ny fiainana hatramin’ny fahafatesana dia samy fanomanana ny fiainana any an-danitra.HAT 224.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents