Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fivelarana ara-Tsaina

    Sokafy eo anatrehan’ny tanora mandrakariva ny Baiboly, sintony ny sainy hifantoka amin’ny zava-miafina raketiny, ampianaro azy ny mitrandraka ny zava-tsoan’ny fahamarinana; fa hahazo herim-pahalalana izay tsy hain’ny fampianarana filôzôfia rehetra ampitaina izy. Ny lohahevitra lehibe sy midadasika indrindra dinihin’ny Baiboly araka ny fahatsorany sy ny fahamendrehany eo amin’ireo teny avy amin’ny tsindrimandry, ny lohahevitra ambony avy amin’ny saina, ny fahazavana midorehitra sy mahitsy miposaka avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izay samy hanazava ny saintsika avokoa dia hampivelatra bebe kokoa ireo vavahadin-tsaina rehetra eo amin’ny tena amin’ny heriny mahagaga izay tsy hay hazavaina.HAT 222.1

    Manome fahalalana tsy hita pesimpesenina ao amin’ny saina ny Baiboly, mampanana toetra manandratra avon’ny lanitra noho ny tany mihoatra noho ireo famoronana nataon’olombelona avy amin’ny saina tsy nohamasinina. Nomena tamin’ny tsindrimandry ho eo am-pelatanan’ny olombelona tsirairay ny tantaran’izao taranaka izao. Afaka ny hanomboka ny fikarohany ny tsirairay: nanomboka tamin’ireo ray aman-dreny tao Edena, masina sy madio tsy nisy pentina, afaka niriaria tamin’ny fifandraisana malalaka tamin’Andriamanitra sy ny anjely ary mitohy amin’ny nidiran’ny fahotana sy ny voka-dratsiny ka mitohy tsikelikely amin’ireo tantara ao amin’ny Soratra Masina, maneho ny faniasiavana sy ny tsy fahatokian’ny olombelona ary ny vokatry ny fahotana.HAT 222.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents