Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Teny Fanolorana

    Ity boky Hafatra ho an’ny Tanora Edisiona manontolo inty, dia voadika amin’ny teny malagasy, ary natonta noho ny fiaraha-miasan’ny Departemantan’ny Tanora sy ny Departemantan’ny Fanahin’ny Faminaniana, eto amin’ny Fivondronamben’ny Federasionan’ny Fiangonana Advantista Ranomasimbe Indianina.HAT 4.1

    Mahazo ny hafatra manokana avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra, nampitondrainy ny mpanompovaviny Ellen G White, ny tanora, satria matanjaka izy ireo, be fitiavana ary manana hery manintona. Ny Soratra Masina rahateo dia milaza hoe: «(...) Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo.» -1 Jao. 2:14. Ny fitandremana araka ny tenin’Andriamanitra ihany no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany (Sal. 119:9). Ary tahaka ny soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ity boky ity dia «(...) mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana » -2 Tim. 3:16.HAT 4.2

    Manana tanora betsaka Andriamanitra izay nijoro ho mahatoky tamin’ny vanim-potoana nifandimby. Tahaka an’i Josefa ohatra: «(...) koa ataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra? » -Gen. 39:9. Voalaza fa nitondra fitahiana ho an’ny Tompony i Josefa: «Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. » -Gen. 39:5. Dia tahaka izany koa i Daniela:HAT 4.3

    « ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany. » -Dan 1:8. Vokany: « ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.» -Dan. 1:15; «Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo impolo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy. » -Dan. 1:20HAT 4.4

    HAFATRA:HAT 5.1

    Ankehitriny isika dia manana zatovolahy sy zatovovavy, tafika iray manontolo, izay mety hahavita zava-dehibe, raha voatarika tsara sy mahazo fampirisihana. Irintsika ny handraisany anjara ao amin’ny fikambanana tsara voatra izay miezaka hamonjy ny zatovolahy sy zatovovavy mitovy taona aminy. Aoka samy ho vonona hilaza ny anton’ny fanantenana ao anatiny izy rehetra, ka hanaja an’Andriamanitra ao amin’ny sampan’asa isan-karazany! (General Conference Bulletin, Vol. V. N° 2, p. 24, Jan. 29, 30, 1923).HAT 5.2

    “Amin’izany andian-tafiky ny mpiasa ivondronan’ny tanorantsika izany, raha beazina araka ny tokony ho izy izy ireo, ka omena fitaovana mahery vaika, ao anatin’ny fotoana fohy dia voatory manerana izao tontolo izao ny hafatry ny fanambaran’Ilay Mpamonjy (...)” (Messages to Young People, p. 195)HAT 5.3

    Mino aho fa samy te ho tahaka an’i Josefa sy Daniela avokoa ny tanora rehetra, ary ity boky HAFATRA HO AN’NY TANORA ity dia fitaovana mahomby hitarika azy ireo hijoro ho mahatoky mandrakariva amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra, mba hahatonga azy ireo ho fitahiana ho an’izay rehetra mifanerasera amin’izy ireo.HAT 5.4

    Elder RAJAONARISON Velomanantsoa
    Tale Mpiara-miasa,

    Departemanta Fanahin'ny Faminaniana,
    Fivondronamben ‘ny Federasiona Fiangonana Advantista
    Ranomasimbe Indianina (IOUC)

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents