Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toetra Mifandanja Tsara

    Mety hanam-paniriana ny hanome ny fananantsika ho an’ny asan’Andriamanitra isika, kanefa tsy hisy lanjany izany raha tsy omentsika Azy ihany koa ny fo feno fitiavana sy fankasitrahana. Ireo izay te ho tena misiônera any amin’ny saha any ivelany dia tsy maintsy ho tena misiônera ao an-tokantrano. Ireo izay maniry ny hiasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo dia tsy maintsy manomana ny tenany ho amin’izany amin’ny alalan’ny fikolokoloana amim-pitandremana ny ampahan-tanimboaloboka kely izay nankininy hokarakarainy.HAT 119.2

    Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany. ” Fisainana maro no mamorona tantara tsy voasoratry ny andro anankiray; ary ireo fisainana ireo dia misy fiantraikany lehibe eo amin’ny famolavolana toetra. Tokony harovana fatratra ny fisainantsika; satria ny fisainana tsy madio anankiray dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny fanahy. Mamela soritra ratsy eo amin’ny saina ny fisainana ratsy. Raha madio sy masina ny fisainana, dia ho tsara kokoa ny olona noho ny fandalàny azy ireo. Amin’ny alalan’izy ireo no maha-haingana ny fitepon’ny fo ara-panahy, ary mitombo ny hery hoentina manao soa. Ary tahaka ny anomanan’ny pitik’orana iray ny lalana ho an’ny pitik’orana hafa ho fanamandoana ny tany, dia toy izany koa no hanomanan’ny fisainana tsara iray ny lalana ho an’ny fisainana tsara hafa.HAT 119.3

    Ny dia lavitra indrindra dia tanterahina amin’ny fanaovana dingana iray hatrany hatrany. Ny fifandimbiasan’ny dingana no mitondra antsika ho any amin’ny fiafaran’ny lalana. Mason-drojo iray mifampitohy no mamorona ny rojo lava indrindra. Raha toa ka simba ny iray amin’ireo mason-drojo ireo dia tsy misy ilana azy ilay rojo. Toy izany ihany koa amin’ny toetra. Ireo asa tsirairay natao tsara no mamorona ny toetra mifandanja tsara. Ny fahadisoana iray, kolokoloina fa tsy resena, dia hahatonga ny olona tsy ho tanteraka, ary hanakatona eo anoloany ny vavahadin’ny Tanàna Masina. Izay miditra ny lanitra dia tsy maintsy manana toetra izay tsy misy pentina na fikentronana na ny toy izany. Izay tsy misy fahalotoana ihany no afaka hiditra ao. Ao amin’ny trano onenan’ireo voavotra rehetra dia tsy hahitana kilema na dia iray aza.HAT 120.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents