Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Miasa amim-Pinoana

    Raha miasa mafy ho an’ny hafa ianao, dia hiasa ao amin’ny fanahiny ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra; satria voavidy tamin’ny ran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy ireo. Azontsika atao ny ho feno fahombiazana amin’ny fahazoana fanahy izay nahafatesan’i Kristy raha toa ka miankina irery ihany amin’ny fahasoavana sy ny herin’Andriamanitra amin’ny fanaovana ny asa fandresen-dahatra sy fanovana ny fo. Raha mbola maneho amin’izy ireo ny fahamarinan’Andriamanitra ianao, mety hiezaka hihazona ny saina ny tsy finoana sy ny fisalasalana; kanefa aoka ny teny fikasan’Andriamanitra no handroaka ao am-ponao ny fisalasalana rehetra.HAT 171.1

    Raiso amin’ny teniny Andriamanitra, ary miasà amim-pinoana. Ho avy i Satana miaraka amin’ny soso-keviny mba hahatonga anao tsy hatoky ny tenin’ny Rainao izay any an-danitra; kanefa hevero fa «ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana». Aoka ny finoanao hamakivaky ny aloky ny haizin’i Satana, ary apetraho eo amin’ny seza fiandrianan’ny famindrampo izany, ary aoka tsy hisy na dia fisalasalana iray aza haka toerana. Izany no hany fomba tokana izay hahazoana traikefa, sy hahitana ny porofo mibaribary izay tena ilaina ho an’ny fiadanana sy ny fahatokianao.HAT 171.2

    Rehefa mitombo ny fanandramanao, dia hanana hafanam-po mitombo sy fitiavana mihamafana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ianao, satria tafaray amin’ny an’i Jesôsy ny tanjona kendrenao. Avy amin’ny Fanahy Masina ny fangoraham-po sy fidavana anananao. Miara-mitondra ny zioga amin’i Kristy ianao, ary mpiara-miasa amin’Andriamanitra. - YI, 9 Aog. 1894.HAT 171.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents