Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fandinihan-Tena

    Tena ilaina ny fandinihan-tena akaiky ary eo ambany fahazavan’ny tenin’Andriamanitra, manadihady akaiky: Salama saina ve aho, sa tratry ny fahalovana ny foko? Nohavaozina ao amin’i Kristy ve aho sa mbola araka ny nofo, mitafy ivelany akanjo vaovao? Misikina ho toy ny manoloana ny fitsaran’Andriamanitra, dia jereo toy ny eo ambany fahazavan’Andriamanitra raha misy ota miafina, faharatsiana, sampy izay tsy mbola navelanao. Mivavaha, eny, mivavaha aloha, mba tsy ho voafitak’i Satana; mba tsy ho voatariky ny fanahy foana, tsy mihaino, tsy miraharaha ianao, ka hampangina ny feon’ny fieritreretana amin’ny fanaovana adidy ara-pivavahana.HAT 65.1

    Iray amin’ny ota izay isan’ny famantarana ny andro farany ny firiavan’ireo milaza ny tenany ho Kristianina fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Anontanio tsara ny fanahinareo. Mitadiava amim-pitandremana. Vitsy tokoa ireo izay, aorian’ny fandinihan-tena mahatoky, hijery ny lanitra ka hilaza hoe: «Tsy isan’ireo izay voatanisa ireo aho. Tsy tia ny fahafinaretana mihoatra ny fitiavana an’Andriamanitra aho.» Ho vitsy ireo izay afaka hiteny hoe: «Maty ny amin’izao tontolo izao aho, fa izay ivelomako ankehitriny dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra. Miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainako, ary rehefa hiseho Kristy fiainako, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra aho».HAT 65.2

    Ny fitiavana sy ny fahasoavan’Andriamanitra! Endrey, fahasoavana sarobidy! mihoatra noho ny volamena tsara, manondrotra sy manandratra ny fanahy mihoatra noho ny foto-kevitra hafa rehetra. Mampanakatra ny lanitra ny fo sy ny fitiavana. Raha miroboka amin’ny zavatra tsy maharitry ny tany, amin’ny fitadiavam-pahafinaretana, amin’ny hadalana ireo manodidina antsika, isika kosa raha mitady ny Mpamonjy dia amin’ny lanitra no mifandray; mitady an’Andriamanitra ny fanahy maniry famelan-keloka sy fiadanana, fahamarinana sy fahamasinana marina. Manova ny fanahy hanahaka an’i Kristy ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fibanjinana ny zavatra any ambony. — RH, 11 May 1886.HAT 65.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents